Tontosa androany 23 aogositra 2024 teto Fiadanana ny famindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo, sy Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa vaovao, Pr CHAMINAH Loulla.
Nanatrika ity fotoana ity ireo mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, notronin’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, sy ny Ministeran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny Fidiovana.
Nankasitraka ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny Minisitra mpisolo toerana, ary nisaotra ireo mpiara-miasa rehetra ihany koa tamin’ny asa niarahana nandritra izay volana maromaro izay.
Naneho fisaorana anโAndriamatoa Filoham-pirenena sy Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ihany koa ny Minisitra vaovao voatendry, tamin’ny fametrahana fitokisana taminy. Vonona hanome ny tsara indrindra avy aminy ny tenany, hoy izy, mba ho mendrika izany fitokisana izany. Nambarany fa mipetraka ho fahatsiarovana ireo asa vitan’ireo Minisitra rehetra nifandimby nitantana ity Ministera ity, ka isan’izany ny Minisitra izay nodimbiasany.
Niantso ireo mpiara-miasa izy hifanolo-tanana sy hanampy, ka hanao ezaka ny rehetra hanohy miaraka ireo politika ankapobeny hanatsarana ny Ministera. Isan’ny zava-dehibe indrindra, ary laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana rahateo, ny fampandehanana ireo Oniversite manakaiky vahoaka isam-paritra.
Teo am-pamaranana dia nirary Ramatoa Ministra mba ho Ministera lavitry ny gidragidra sy ny disadisa ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Ny fianakaviamben’ny MESUPRES dia miarahaba sy mirary soa ny Minisitra vaovao amin’ny adidy iantsorohany.

More Stories
๐๐ฬ๐๐ง๐๐ ๐’๐๐ซ๐ข๐๐ง๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐จ๐ฅ๐๐ข๐ซ๐ ๐๐ญ ๐๐ซ๐จ๐๐๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐ง๐๐ฅ๐ฅ๐
๐๐ ๐ฆ๐๐ฉ๐๐๐ญ-๐ฉ๐ข๐จ๐ฆ ๐’๐๐ซ๐ฃ๐๐ฅ๐ง๐๐ฆ๐ ๐ก๐จ๐ ๐ฬ๐ฅ๐๐ค๐จ๐ ๐๐จ ๐ฆ๐๐ฅ๐ฉ๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐ฅ๐๐๐๐๐ฅ๐๐๐ ๐๐ฉ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ฆ๐ง
๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ผ๐ฏ๐ฒ ๐ป๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐บ๐ถ๐ฎs๐ฎ ๐๐ฒ๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐๐๐๐ฆ๐ง