Tontosa androany 23 aogositra 2024 teto Fiadanana ny famindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo, sy Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa vaovao, Pr CHAMINAH Loulla.
Nanatrika ity fotoana ity ireo mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, notronin’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, sy ny Ministeran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny Fidiovana.
Nankasitraka ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny Minisitra mpisolo toerana, ary nisaotra ireo mpiara-miasa rehetra ihany koa tamin’ny asa niarahana nandritra izay volana maromaro izay.
Naneho fisaorana anโAndriamatoa Filoham-pirenena sy Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ihany koa ny Minisitra vaovao voatendry, tamin’ny fametrahana fitokisana taminy. Vonona hanome ny tsara indrindra avy aminy ny tenany, hoy izy, mba ho mendrika izany fitokisana izany. Nambarany fa mipetraka ho fahatsiarovana ireo asa vitan’ireo Minisitra rehetra nifandimby nitantana ity Ministera ity, ka isan’izany ny Minisitra izay nodimbiasany.
Niantso ireo mpiara-miasa izy hifanolo-tanana sy hanampy, ka hanao ezaka ny rehetra hanohy miaraka ireo politika ankapobeny hanatsarana ny Ministera. Isan’ny zava-dehibe indrindra, ary laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana rahateo, ny fampandehanana ireo Oniversite manakaiky vahoaka isam-paritra.
Teo am-pamaranana dia nirary Ramatoa Ministra mba ho Ministera lavitry ny gidragidra sy ny disadisa ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Ny fianakaviamben’ny MESUPRES dia miarahaba sy mirary soa ny Minisitra vaovao amin’ny adidy iantsorohany.

More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
๐ ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐ข๐ฏ๐จ๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐
๐๐จ๐ง๐๐ฬ๐ซ๐๐ง๐๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ฬ๐ฌ๐ข๐๐๐ง๐ญ๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ฬ๐ฌ