Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 30 Aogositra 2024, teo amin’ny Parvis de l’Hotel de Ville Toamasina, ny Salon de l’étudiant et de l’emploi andiany voalohany, karakarain’ny MESUPRES-CIDST.
Miisa 48 eo ny mpandray anjara ary tranoeva maherin’ny 50 no aranty eny an-toerana. Mpitsika manodidina ny
10 000isa no andrasana amin’ity andiany voalohany ity.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanomezana torolalana an’ireo mpianatra vao afaka bakalorea sy ireo izay mbola tsy nahita ny lalam-piofanana tiany arahina. Eo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa lehibe ireo tanora sy olon-dehibe maro mitady asa.
Mampiavaka ity Salon de l’étudiant et de l’emploi andiany voalohany ity ny fandraisan’anjaran’ny Oniversite avy any Maurice sy ireo Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro ao Toamasina. Misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra izay handraisan’ny Oniversite Toamasina sy ny UTM Maurice anjara ny andro voalohany, ary indrindra noho izy TSY MISY VIDIM-PIDIRANA.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Oniversite Toamasina, nontronin’ireo olo manan-kaja sy manam-pahefana maro avy ao Toamasina, ary ireo mpanohana sy mpiaramiombon’antoka, niaraka tamin’ny ekipan’ny CIDST.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »