Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 30 Aogositra 2024, teo amin’ny Parvis de l’Hotel de Ville Toamasina, ny Salon de l’étudiant et de l’emploi andiany voalohany, karakarain’ny MESUPRES-CIDST.
Miisa 48 eo ny mpandray anjara ary tranoeva maherin’ny 50 no aranty eny an-toerana. Mpitsika manodidina ny
10 000isa no andrasana amin’ity andiany voalohany ity.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanomezana torolalana an’ireo mpianatra vao afaka bakalorea sy ireo izay mbola tsy nahita ny lalam-piofanana tiany arahina. Eo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa lehibe ireo tanora sy olon-dehibe maro mitady asa.
Mampiavaka ity Salon de l’étudiant et de l’emploi andiany voalohany ity ny fandraisan’anjaran’ny Oniversite avy any Maurice sy ireo Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro ao Toamasina. Misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra izay handraisan’ny Oniversite Toamasina sy ny UTM Maurice anjara ny andro voalohany, ary indrindra noho izy TSY MISY VIDIM-PIDIRANA.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Oniversite Toamasina, nontronin’ireo olo manan-kaja sy manam-pahefana maro avy ao Toamasina, ary ireo mpanohana sy mpiaramiombon’antoka, niaraka tamin’ny ekipan’ny CIDST.

More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞