smart
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 22 Aogositra 2024 teto amin’ny Lycรฉe J.J.Rabearivelo Analakely, ny “Salon de l’รฉtudiant” andiany faharoa, izay karakarain’ny “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).
Trano eva miisa 85 mahery eo ho eo no aranty ety an-toerana izay ahitana mpandray anjara 75 mahery. Mpitsidika maherin’ny 25.000 eo ho eo no andrasana amin’ity andiany faharoa ity. Ankoatra ny fandraisana anjaran’ireo Oniversite miankina sy tsy miankina aminโny fanjakana dia isanโny mampiavaka ity hetsika karakarain’ny CIDST ity:
– ny fandraisanโanjaranโireo Sekoly ambony misehatra amin’ny fampiofanana arak’asa nasionaly toy ny ACMIL, ENMG, CNFTF, IST, EGNA, ENS, INFA, ENSP, sns.
– Ao ihany koa ny Ambasadin’ny Etazonia, izay manome fiofanana sy torolalana ho an’ireo mpianatra te hanohy ny fianarana any Etazonia sy ireo Oniversite maro sangany eto Madagasikara
– ny fahatongavan’ireo Sekoly ambony avy any amin’ny faritra toy ny ENI sy EMIT Fianarantsoa, IST- Ambositra, IHSM Toliary, sns.
– ny fisian’ny famelabelaran-kevitra isan’andro na “Confรฉrences-dรฉbats” arahina torolalana arak’asa ho an’ny sokajin’olona rehetra.
Haharitra 3 andro ny fampirantiana, dia ny 22-23-24 aogositra 2024, manomboka amin’ny 8:30 maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Ny lanonam-panokafana dia notarihin’ Andriamatoa Tale jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Pr LAZAMANANA Pierre Andrรฉ sy ny Talen’ny CIDST, Ramatoa NALY Cindy Vermeille.
Hitohy any Toamasina ny hetsika Salon de l’รฉtudiant karakarain’ny CIDST sy ny MESupReS, ny 30-31 Aogositra 2024.








More Stories
๐ฆ๐๐ ๐๐๐ก๐ ๐๐ ๐ฅ๐๐๐ฌ๐ก๐๐ ๐๐ฆ๐๐ง๐๐ข๐ก ๐๐จ ๐๐๐๐ฆ๐ง
๐๐ฝ๐ฝ๐ฒ๐น ๐ฎฬ ๐ฐ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐ฑ๐ฎ๐๐๐ฟ๐ฒ๐ – ๐๐๐ฒ๐น๐ถ๐ฒ๐ฟ ๐ฑ๐ฒ ๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ยซ ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ
๐๐๐๐ฆ๐ง M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ H๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฟ๐ S๐ผ๐ฎ