smart
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 22 Aogositra 2024 teto amin’ny Lycรฉe J.J.Rabearivelo Analakely, ny “Salon de l’รฉtudiant” andiany faharoa, izay karakarain’ny “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).
Trano eva miisa 85 mahery eo ho eo no aranty ety an-toerana izay ahitana mpandray anjara 75 mahery. Mpitsidika maherin’ny 25.000 eo ho eo no andrasana amin’ity andiany faharoa ity. Ankoatra ny fandraisana anjaran’ireo Oniversite miankina sy tsy miankina aminโny fanjakana dia isanโny mampiavaka ity hetsika karakarain’ny CIDST ity:
– ny fandraisanโanjaranโireo Sekoly ambony misehatra amin’ny fampiofanana arak’asa nasionaly toy ny ACMIL, ENMG, CNFTF, IST, EGNA, ENS, INFA, ENSP, sns.
– Ao ihany koa ny Ambasadin’ny Etazonia, izay manome fiofanana sy torolalana ho an’ireo mpianatra te hanohy ny fianarana any Etazonia sy ireo Oniversite maro sangany eto Madagasikara
– ny fahatongavan’ireo Sekoly ambony avy any amin’ny faritra toy ny ENI sy EMIT Fianarantsoa, IST- Ambositra, IHSM Toliary, sns.
– ny fisian’ny famelabelaran-kevitra isan’andro na “Confรฉrences-dรฉbats” arahina torolalana arak’asa ho an’ny sokajin’olona rehetra.
Haharitra 3 andro ny fampirantiana, dia ny 22-23-24 aogositra 2024, manomboka amin’ny 8:30 maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Ny lanonam-panokafana dia notarihin’ Andriamatoa Tale jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Pr LAZAMANANA Pierre Andrรฉ sy ny Talen’ny CIDST, Ramatoa NALY Cindy Vermeille.
Hitohy any Toamasina ny hetsika Salon de l’รฉtudiant karakarain’ny CIDST sy ny MESupReS, ny 30-31 Aogositra 2024.








More Stories
๐ ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐ข๐ฏ๐จ๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐
๐๐จ๐ง๐๐ฬ๐ซ๐๐ง๐๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ฬ๐ฌ๐ข๐๐๐ง๐ญ๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ฬ๐ฌ
๐ฃ๐ฟ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ด๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฑ๐ฒ ๐น๐ฎ ๐ฑ๐ฎ๐๐ฒ ๐น๐ถ๐บ๐ถ๐๐ฒ ๐ฑ๐ฒ ๐๐ผ๐๐บ๐ถ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฑ’๐ฎ๐ฟ๐๐ถ๐ฐ๐น๐ฒ ๐ฑ๐ฎ๐ป๐ ๐น๐ฎ ๐ฅ๐ฆ๐ ๐ฉ๐ผ๐น๐๐บ๐ฒ 1