Natao androany Alarobia 28 febroary 2024 teto amin’ny « Esplanade » Ankatso ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana teto amin’ny Oniversite Ankatso, izay natao teo ambany fitarihin-dRamatoa Filoha lefitry ny Oniversite an’Antananarivo, Pr RAVAOMANARIVO Raveloson Lala Harivelo.
Tanjona ny handraisan’ny mpianatra an-tanana sahady ny fiainany ara-pananahana, ka nanomezana azy ireo toro-hevitra sy fampianarana mba hisorohana ny vohoka tsy niriana ka mba hahavitan’ny fianarany hatramin’ny farany.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana hatrany ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, izay mifandraika amin’ny programan’asan’ny Filoham-pirenena tanterahina ao anatin’ny 100 andro.
Mitarika hatrany ny hetsika ny Ivon-toeram-pikarohana CIDST, tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny « Direction Régionale de la Santé Publique » (DRSP) Analamanga, notarihin’Andriamatoa Talen’ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Analamanga, Dr RASOLONDRAIBE Hasina Nirina.


















More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »