smart
Natao androany Alarobia 28 febroary 2024 teto amin’ny “Esplanade” Ankatso ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana teto amin’ny Oniversite Ankatso, izay natao teo ambany fitarihin-dRamatoa Filoha lefitry ny Oniversite an’Antananarivo, Pr RAVAOMANARIVO Raveloson Lala Harivelo.
Tanjona ny handraisan’ny mpianatra an-tanana sahady ny fiainany ara-pananahana, ka nanomezana azy ireo toro-hevitra sy fampianarana mba hisorohana ny vohoka tsy niriana ka mba hahavitan’ny fianarany hatramin’ny farany.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana hatrany ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, izay mifandraika amin’ny programan’asan’ny Filoham-pirenena tanterahina ao anatin’ny 100 andro.
Mitarika hatrany ny hetsika ny Ivon-toeram-pikarohana CIDST, tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny “Direction Rรฉgionale de la Santรฉ Publique” (DRSP) Analamanga, notarihin’Andriamatoa Talen’ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Analamanga, Dr RASOLONDRAIBE Hasina Nirina.


















More Stories
๐๐๐๐ฆ๐ง M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ H๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฟ๐ S๐ผ๐ฎ
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ฃ๐ฟ๐ผ๐ฝ๐ฟ๐ถ๐ฒฬ๐๐ฒฬ ๐๐ป๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ๐ฐ๐๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ (๐ฃ๐)
๐๐ฬ๐๐ง๐๐ ๐’๐๐ซ๐ข๐๐ง๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐จ๐ฅ๐๐ข๐ซ๐ ๐๐ญ ๐๐ซ๐จ๐๐๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐ง๐๐ฅ๐ฅ๐