Faha-65 taona nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena hatrany, dia nisy ny diaben’ny Fahaleovantena izay nandraisan’ny mpiasam-panjakana sy ny ministera rehetra anjara.
Nandray anjara feno tamin’izany hetsika izany ny ekipan’ny CIDST, izay notarihan-dRamatoa Tale, Dr Naly Cindy Vermeille, izay tonga maro naneho ny fiombonana sy firaisankina amin’izao fankalazana izao.
Ny diabe dia niainga teny Ambohijatovo, teo amin’ny tsangambaton’ny Fahaleovantena, nihazo an’Anosy ary nofaranana tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahan-tena ny hetsika, izay nandraisan’ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny anjara sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.
Marche de l’indépendance et match amical (match de gala)
Dans le cadre de la célébration du 65ème anniversaire de l’indépendance de Madagascar, il y a eu une marche de l’indépendance à laquelle tous les fonctionnaires et ministères ont participé.
L’équipe du CIDST, dirigée par Mme la Directrice, Dr Naly Cindy Vermeille, a pris pleinement part à cet événement, venue nombreux témoigner de leur solidarité et de leur solidarité dans cette célébration.
La marche a commencé à Ambohijatovo, au monument de l’indépendance, a atteint Anosy et s’est terminée au stade Barea Mahamasina.
L’événement s’est poursuivi avec un match sportif auquel ont participé les institutions gouvernementales et les membres du gouvernement.
More Stories
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!
𝗟𝗲 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 𝗽𝗿𝗲𝗻𝗱 𝗹𝗮 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗮̀ 𝗹𝗮 𝗙𝗜𝗠 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement à la FIM 2026 !