Fitsidihan’ Andriamatoa Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny 26 Febroary 2024.
Nitsidika ny Ivon-toeranam- pikarohana momban ny Torohay sy Fahalalana Siantifika ary Teknika « CIDST » ny Minisitra Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena taorian’ny fizahavana ny firosoan’ny asan’ny ekipa teknika amin’ny fikirakirana ny lisitry ny mpianatra sy ny lamina amin’ny vatsim-pianarana.
Nihaona sy nitafa tamin’ireo Mpikaroka sy ny Mpiasa tsy an-kanavaka ny tenany, niresadresaka mahakasika ny fampandehanan’asa ao an-toerana amin’ny ankapobeny.
Nilamina sy nizotra tamim-pitoniana ny tafatafa sy dinika, nanamafy hatrany ny Minisitra fa ny « CIDST », izay tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille dia mpiara-miasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana sy ny Ministera.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »