Fitsidihan’ Andriamatoa Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny 26 Febroary 2024.
Nitsidika ny Ivon-toeranam- pikarohana momban ny Torohay sy Fahalalana Siantifika ary Teknika “CIDST” ny Minisitra Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena taorian’ny fizahavana ny firosoan’ny asan’ny ekipa teknika amin’ny fikirakirana ny lisitry ny mpianatra sy ny lamina amin’ny vatsim-pianarana.
Nihaona sy nitafa tamin’ireo Mpikaroka sy ny Mpiasa tsy an-kanavaka ny tenany, niresadresaka mahakasika ny fampandehanan’asa ao an-toerana amin’ny ankapobeny.
Nilamina sy nizotra tamim-pitoniana ny tafatafa sy dinika, nanamafy hatrany ny Minisitra fa ny “CIDST”, izay tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille dia mpiara-miasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana sy ny Ministera.

More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞