Tao aorian’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) ny Institut Malgache des Vaccins VETerinaires (IMVAVET) ary ny Centre National d’ Application de Recherches Pharmaceutiques (CNARP), dia anjaran’ireo mpikaroka tao amin’ny CNRIT indray no nisitraka ny fanamafisana fahaiza-manao na « renforcement de capacités » ny 4 may 2023 tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT.
Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy , sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara . Ankoatran’ireo ny fampahafantarana misimisy kokoa momba ny fizaka-manana ara- tsaina na « propriété intellectuelle » satria mila arovana ny valim-pikarohana .
Miara-manatanteraka izany ny DRI ( Direction de la Recherche de l’Innovation ) eo anivon’ny MESupReS sy ny OMAPI ( Office MAlgache de la Propriété Industrielle) ary ny CATI (Centre d’Appui à la Technologie et à l’Innovation) . Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatanterahana ny fikarohana sy ny haivao eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa izao fanamafisana fahaiza-manao izao.

More Stories
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!