Tao aorian’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) ny Institut Malgache des Vaccins VETerinaires (IMVAVET) ary ny Centre National d’ Application de Recherches Pharmaceutiques (CNARP), dia anjaran’ireo mpikaroka tao amin’ny CNRIT indray no nisitraka ny fanamafisana fahaiza-manao na “renforcement de capacités” ny 4 may 2023 tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT.
Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy , sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara . Ankoatran’ireo ny fampahafantarana misimisy kokoa momba ny fizaka-manana ara- tsaina na “propriété intellectuelle” satria mila arovana ny valim-pikarohana .
Miara-manatanteraka izany ny DRI ( Direction de la Recherche de l’Innovation ) eo anivon’ny MESupReS sy ny OMAPI ( Office MAlgache de la Propriété Industrielle) ary ny CATI (Centre d’Appui à la Technologie et à l’Innovation) . Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatanterahana ny fikarohana sy ny haivao eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa izao fanamafisana fahaiza-manao izao.

More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬