Fitsidihan’ny IST-Tana, IST-Ambositra, IST-Diego ary ny mpandrindra ny « Projet JMCT » (Jeunesse Malagasy Compétente au Travail) ny CIDST, ny Alakamisy 11 may 2023.
Nanao fitsidihana ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST) ireo delegasiona mafonja avy ao amin’ireo Institut Supérieur de Technologie (IST) telo eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo manam-pahaizana avy any Canada ao anatin’ny « projet JMCT » izay notarihan’ny mpandrindra nasionaly ny JMCT eto Madagasikara, Andriamatoa Moussadak ETTAYEBI.
Ny tanjon’ity fitsidihana ity dia ny ahafantaran’izy ireo bebe kokoa mahakasika ny » unité documentaire » sy ny asan’ny CIDST amin’ny ankapobeny, izay mifandraika indrindra amin’ny « Projet JMCT », izay fikasana hanangana « plate-forme de documentation ».
Nitsidika sy nanadihady mahakasika ny fizotran’ny « chaîne documentaire » izy ireo, naka hevitra sy nifampizara traikefa ary nijery izay mety ho fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny CIDST sy ny IST ary ny Projet JMCT. Arak’izany dia misy ny vinavinam-piaraha-miasa amin’ireo vondrona telo ireo izay inoana fa tsy ho ela dia hanomboka. Nijery manokana ihany koa ireo tolotra misy eto anivon’ny « Centre ».

More Stories
𝗢𝗿𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗦𝗰𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲 𝗲𝘁 𝗣𝗿𝗼𝗳𝗲𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻𝗻𝗲𝗹𝗹𝗲
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞
𝗟𝗘 𝗦𝗔𝗩𝗜𝗘𝗭-𝗩𝗢𝗨𝗦 𝗟’𝗘𝗫𝗣𝗘𝗥𝗧𝗜𝗦𝗘 𝗡𝗨𝗠𝗘́𝗥𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗔𝗨 𝗦𝗘𝗥𝗩𝗜𝗖𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗥𝗘𝗖𝗛𝗘𝗥𝗖𝗛𝗘 𝗔𝗩𝗘𝗖 𝗟𝗘 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧