Fitsidihan’ny IST-Tana, IST-Ambositra, IST-Diego ary ny mpandrindra ny “Projet JMCT” (Jeunesse Malagasy Compétente au Travail) ny CIDST, ny Alakamisy 11 may 2023.
Nanao fitsidihana ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST) ireo delegasiona mafonja avy ao amin’ireo Institut Supérieur de Technologie (IST) telo eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo manam-pahaizana avy any Canada ao anatin’ny “projet JMCT” izay notarihan’ny mpandrindra nasionaly ny JMCT eto Madagasikara, Andriamatoa Moussadak ETTAYEBI.
Ny tanjon’ity fitsidihana ity dia ny ahafantaran’izy ireo bebe kokoa mahakasika ny ” unité documentaire ” sy ny asan’ny CIDST amin’ny ankapobeny, izay mifandraika indrindra amin’ny “Projet JMCT”, izay fikasana hanangana “plate-forme de documentation”.
Nitsidika sy nanadihady mahakasika ny fizotran’ny “chaîne documentaire” izy ireo, naka hevitra sy nifampizara traikefa ary nijery izay mety ho fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny CIDST sy ny IST ary ny Projet JMCT. Arak’izany dia misy ny vinavinam-piaraha-miasa amin’ireo vondrona telo ireo izay inoana fa tsy ho ela dia hanomboka. Nijery manokana ihany koa ireo tolotra misy eto anivon’ny “Centre”.

More Stories
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬
𝗣𝗿𝗼𝗹𝗼𝗻𝗴𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗱𝗮𝘁𝗲 𝗹𝗶𝗺𝗶𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝘀𝗼𝘂𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝗮𝗿𝘁𝗶𝗰𝗹𝗲 𝗱𝗮𝗻𝘀 𝗹𝗮 𝗥𝗦𝗠 𝗩𝗼𝗹𝘂𝗺𝗲 1