
smart
Taorian’ny fiarahana ara-tsosialy izay notontosain’ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny CIDST ny volana aprily lasa teo, dia mitohy hatrany ny fanatsarana ny fomba fiasa mba ho fampandrosoana ny “Centre”.
Arak’izany dia nisy ny fivoriana notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, izay natokana ifampizarana sy ampahafantarana ny andraikitry ny departemanta sy ny anjara andraikitry ny mpiasa tsirairay ao aminy, izay natao teto amin’ny foiben’ny CIDST Tsimbazaza, ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 may 2023.
Anisany nisongadina tamin’ny andro voalohany ny mahakasika ny chaine documentaire, izay anjara andraikitra voalohan’ny CIDST, manomboka any amin’ny fandraisana ny “documents”: “Acquisition – Traitement – Verification”, ny fampidirana azy ao amin’ny “Base de données” ka hatrany amin’ny “Diffusion” (fanaparitahana azy any amin’ny mpanjifa sy ny mpamaky) ary ny “Edition” na ny fanontana azy ho lasa boky. Ny andro faharoa dia nitohy ny fifampizarana mahakasika ny Service Financier, ny Service TIC, ny Service Commercial et Relations Publiques ary niafara tamin’ny mahakasika ny CATI (Centre d’Appui à la
Technologie et a l’Innovation) Madagascar izay eo anivon’ny CIDST avokoa.
Izany no natao dia ny mba hisian’ny firindrana sy fandrosoana eo amin’ny asa atao, ary mba ahafantaran’ny mpiara-miasa rehetra ny andraikitra sahanin’ny tsirairay avy.
Tanjona tamin’izao hetsika izao ihany koa ny mba ahafantarana ny olana mety misy sy ny filàn’ny departemanta tsirairay avy mba ahafahana manatsara hatrany ny vokatra sy hampandrosoana ny asa.







More Stories
𝗙𝗶𝗻𝗮𝗹 𝗱𝘂 𝗰𝗼𝗻𝗰𝗼𝘂𝗿𝘀 𝐑e𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐢𝐧𝐧𝐨𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐂𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 (𝗥𝗜𝗖) 𝗮̀ 𝗠𝗮𝘂𝗿𝗶𝗰𝗲
𝐃𝐢𝐚𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐨 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐫𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐡𝐢𝐚𝐧𝐚 (𝐌𝐚𝐭𝐜𝐡 𝐝𝐞 𝐆𝐚𝐥𝐚)
𝐑e𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐢𝐧𝐧𝐨𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐂𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 (RIC)