smart
Taorian’ny fiarahana ara-tsosialy izay notontosain’ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny CIDST ny volana aprily lasa teo, dia mitohy hatrany ny fanatsarana ny fomba fiasa mba ho fampandrosoana ny “Centre”.
Arak’izany dia nisy ny fivoriana notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, izay natokana ifampizarana sy ampahafantarana ny andraikitry ny departemanta sy ny anjara andraikitry ny mpiasa tsirairay ao aminy, izay natao teto amin’ny foiben’ny CIDST Tsimbazaza, ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 may 2023.
Anisany nisongadina tamin’ny andro voalohany ny mahakasika ny chaine documentaire, izay anjara andraikitra voalohan’ny CIDST, manomboka any amin’ny fandraisana ny “documents”: “Acquisition – Traitement – Verification”, ny fampidirana azy ao amin’ny “Base de données” ka hatrany amin’ny “Diffusion” (fanaparitahana azy any amin’ny mpanjifa sy ny mpamaky) ary ny “Edition” na ny fanontana azy ho lasa boky. Ny andro faharoa dia nitohy ny fifampizarana mahakasika ny Service Financier, ny Service TIC, ny Service Commercial et Relations Publiques ary niafara tamin’ny mahakasika ny CATI (Centre d’Appui à la
Technologie et a l’Innovation) Madagascar izay eo anivon’ny CIDST avokoa.
Izany no natao dia ny mba hisian’ny firindrana sy fandrosoana eo amin’ny asa atao, ary mba ahafantaran’ny mpiara-miasa rehetra ny andraikitra sahanin’ny tsirairay avy.
Tanjona tamin’izao hetsika izao ihany koa ny mba ahafantarana ny olana mety misy sy ny filàn’ny departemanta tsirairay avy mba ahafahana manatsara hatrany ny vokatra sy hampandrosoana ny asa.







More Stories
𝗧𝗼𝗿𝗼𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮𝗸’𝗮𝘀𝗮
𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲
𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧-𝐤𝐚𝐳𝐨 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲