
Fandrindrana fianam-pianakaviana, antoky ny fampandrosoana maharitra.
Notontosaina ny zoma 12 jolay 2024 tao amin’ny Carlton Anosy ny fihaonambe nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana.
Ny tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izao hetsika izao dia mba ahatratra 5 100 000 ireo mpisitraka ny fanabeazana aizana eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028, ka ho atao maimaim-poana avokoa ny fandrindrana fianam-pianakaviana manerana an’i Madagasikara.
Tsiahivina fa ny fanentanana mahakasika ny fandrindram-piterahana dia tao anatin’ny vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin’ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, notanterahina tao anatin’ny 100 andro. Natao isaky ny Oniversitem-panjakana manerana an’i Madagasikara ny fanentanana izay notontosain’ny ekipan’ny CIDST, notarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille.
Inoana sy hantenaina fa hitondra vokatra mihabo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana.
Nanome voninahitra ity hetsika ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Solontenan’ny UNFPA eto Madagasikara, nontronin’ireo Governora isam-paritra. Nisolo tena ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa kosa ny Talen’ny CIDST.



More Stories
𝗙𝗶𝗻𝗮𝗹 𝗱𝘂 𝗰𝗼𝗻𝗰𝗼𝘂𝗿𝘀 𝐑e𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐢𝐧𝐧𝐨𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐂𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 (𝗥𝗜𝗖) 𝗮̀ 𝗠𝗮𝘂𝗿𝗶𝗰𝗲
𝐃𝐢𝐚𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐨 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐫𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐡𝐢𝐚𝐧𝐚 (𝐌𝐚𝐭𝐜𝐡 𝐝𝐞 𝐆𝐚𝐥𝐚)
𝐑e𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐢𝐧𝐧𝐨𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐂𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 (RIC)