Fampiroboroboana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy fikarohana ety amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa
Miezaka misokatra amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa samihafa ny mpitondra ety amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ka nanokatra varavarana tamin’ny CIDST (Centre d’information et de Documentation Scientifique et Techniques), ho fanamorana ny fitadiavana antotan-kevitra ,famoahana lahatsoratra siantifika, …
Ny zoma 22 mars 2024 araka izany no nantanterahana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Oniversite, Pr HAJALALAINA Aimé Richard sy ny talen’ny CIDST, NALY Cindy Vermeille, notronin’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pitantanana.
Fiaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny asa fikarohana eto amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa.
Ao amin’ny Bibliothèque Universitaire no ahitana ny CIDST.

More Stories
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!
𝗟𝗲 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 𝗽𝗿𝗲𝗻𝗱 𝗹𝗮 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗮̀ 𝗹𝗮 𝗙𝗜𝗠 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement à la FIM 2026 !