𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐫𝐨𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤’𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐢𝐬𝐞𝐚 𝐑𝐚𝐡𝐞𝐫𝐢𝐯𝐞𝐥𝐨 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐦𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚.
Ny CIDST sy ny Lisea Raherivelo Ramamonjy dia nikarakara fanentanana sy torolalana arak’asa ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny lisea Raherivelo Ramamonjy Anjoma Fianarantsoa, ny 22 martsa 2024.
Tanjona tamin’izany ny hanampiana ireo mpianatra hisafidy ny fianarana sy fiofanana harahina aorian’ny bakalorea, hampahafantarana azy ireo ireo sampam-piofanana samihafa misy ao amin’ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa sy ny asa mifanaraka amin’izany.
Natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena, ny fetrany, ny asa aman-draharahany ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’ny asa ny hetsika.
Famelabelarana arahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »