𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐫𝐨𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤’𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐢𝐬𝐞𝐚 𝐑𝐚𝐡𝐞𝐫𝐢𝐯𝐞𝐥𝐨 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐦𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚.
Ny CIDST sy ny Lisea Raherivelo Ramamonjy dia nikarakara fanentanana sy torolalana arak’asa ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny lisea Raherivelo Ramamonjy Anjoma Fianarantsoa, ny 22 martsa 2024.
Tanjona tamin’izany ny hanampiana ireo mpianatra hisafidy ny fianarana sy fiofanana harahina aorian’ny bakalorea, hampahafantarana azy ireo ireo sampam-piofanana samihafa misy ao amin’ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa sy ny asa mifanaraka amin’izany.
Natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena, ny fetrany, ny asa aman-draharahany ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’ny asa ny hetsika.
Famelabelarana arahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.

More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞