𝑭𝒂𝒏𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒗𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒕𝒆 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂
Natao androany 12 febroary 2024 ny fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana ho an’ny mpianatra tao amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Izany dia notontosaina tao amin’ny trano malalaky ny Serasera Fianarantsoa, izay notarihan-dRamatoa Talen’ny CIDST, NALY Cindy Vermeille sy ireo mpiara-dia aminy, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny mba handraisan’ny mpianatra an-tanana sahady ny fiainany ara pitiavana sy ara-pananahana, mba tsy ho sakana hamitan’izy ireo ny fianarany ny mety ho vohoka tsy niriana. Miisa 1855 ireo mpianatra tonga nanatrika ny fanentanana.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin’ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, tanterahina ao anatin’ny 100 andro.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »