𝑭𝒂𝒏𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒗𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒕𝒆 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂
Natao androany 12 febroary 2024 ny fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana ho an’ny mpianatra tao amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Izany dia notontosaina tao amin’ny trano malalaky ny Serasera Fianarantsoa, izay notarihan-dRamatoa Talen’ny CIDST, NALY Cindy Vermeille sy ireo mpiara-dia aminy, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny mba handraisan’ny mpianatra an-tanana sahady ny fiainany ara pitiavana sy ara-pananahana, mba tsy ho sakana hamitan’izy ireo ny fianarany ny mety ho vohoka tsy niriana. Miisa 1855 ireo mpianatra tonga nanatrika ny fanentanana.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin’ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, tanterahina ao anatin’ny 100 andro.

More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞