𝐈𝐧𝐬𝐭𝐢𝐭𝐮𝐭 𝐒𝐮𝐩𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐮𝐫 𝐝𝐞 𝐓𝐞𝐜𝐡𝐧𝐨𝐥𝐨𝐠𝐢𝐞 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚: 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚.
Ao anatin’ny fanatanterahana hatrany ny programan’asan’ny Filoham-mpirenena sy ny vininan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupReS) izay vitaina ao anatin’ny 100 andro, dia nisitraka ny fanentanana momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ihany koa ny « Institut Supérieur de Technologie » Ambositra.
Tsara ho marihina hatrany fa ny tanjon’izao hetsika izao dia ny hanentanana sy hampianarana ireo tanora mpianatra mahakasika ny fandrindram-piterahana mba ahafahany mandray an-tanana ny ho aviny, mba tsy hisedra olana toy ny vohoka tsy niriana eo am-pamitana ny fianarany fa mba ahavita izany hatramin’ny farany.
Ny fanentanana dia notontosaina tao amin’ny « Grand Conaco » an’ny IST-Ambositra, ary nahatratra 591 ireo mpianatra tonga nanatrika izany. Mitarika izao hetsika izao hatrany ny ekipan’ny CIDST, tarihan-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille miaraka amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny sampana rezionaly Ambositra.
Tsiahivina hatrany fa Ny CIDST dia ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESupReS izay tarihan’Andriamatoa Minisitra Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »