𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐚𝐲 𝐓𝐨𝐥𝐢𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 « 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐧𝐞 𝐂𝐈𝐃𝐒𝐓 𝐓𝐨𝐥𝐢𝐚𝐫𝐚 »
Tontosa ny zoma 9 febroary 2024 ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana tao amin’ny Oniversite Maninday Toliara, izay notarin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena, niarahana tamin’ny ekipan’ny CIDST, notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny » Direction Régionale de la Santé » (DRS) Toliara.Mpianatra miisa 1 584 no tonga nanatrika izany.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny fisorohana ny vohoka tsy niriana mba hahavita ny fianarana hatramin’ny farany.
Tsiahivina hatrany fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin’ny programan’asan’ny Filoham-pirenena izay tanterahina ao anatin’ny 100 andro.
Taorian’ny fanentanana dia nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Oniversite Toliara sy ny CIDST, izay nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny « Antenne CIDST Toliara ».

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »