๐ ๐๐ง๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ฆ๐๐ก๐๐ค๐๐ฌ๐ข๐ค๐ ๐ง๐ฒ ๐ ๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ญ๐๐ซ๐๐ก๐๐ง๐ ๐ญ๐๐จ ๐๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ ๐๐๐ง๐ข๐ง๐๐๐ฒ ๐๐จ๐ฅ๐ข๐๐ซ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ ๐๐ฆ๐๐ญ๐ซ๐๐ก๐๐ง๐ ๐ญ๐๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐๐จ๐ฆ๐๐ ๐จ๐๐ข๐ฌ๐ข๐๐ฅ๐ฒ ๐ง๐ฒ “๐๐ง๐ญ๐๐ง๐ง๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐จ๐ฅ๐ข๐๐ซ๐”
Tontosa ny zoma 9 febroary 2024 ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana tao amin’ny Oniversite Maninday Toliara, izay notarin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena, niarahana tamin’ny ekipan’ny CIDST, notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny ” Direction Rรฉgionale de la Santรฉ ” (DRS) Toliara.Mpianatra miisa 1 584 no tonga nanatrika izany.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny fisorohana ny vohoka tsy niriana mba hahavita ny fianarana hatramin’ny farany.
Tsiahivina hatrany fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ireo vinan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin’ny programan’asan’ny Filoham-pirenena izay tanterahina ao anatin’ny 100 andro.
Taorian’ny fanentanana dia nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Oniversite Toliara sy ny CIDST, izay nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny “Antenne CIDST Toliara”.

More Stories
๐๐ฝ๐ฝ๐ฒ๐น ๐ฎฬ ๐ฐ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐ฑ๐ฎ๐๐๐ฟ๐ฒ๐ – ๐๐๐ฒ๐น๐ถ๐ฒ๐ฟ ๐ฑ๐ฒ ๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ยซ ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ
๐๐๐๐ฆ๐ง M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ H๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฟ๐ S๐ผ๐ฎ
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ฃ๐ฟ๐ผ๐ฝ๐ฟ๐ถ๐ฒฬ๐๐ฒฬ ๐๐ป๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ๐ฐ๐๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ (๐ฃ๐)