𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲, 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧-𝐤𝐚𝐳𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐛𝐨𝐭𝐬𝐲 03 𝐟𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 2024.
Taorian’ny Fambolen-kazo izay natao tao amin’ny faritr’Itasy, notarihan’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena, dia nanatanteraka ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindram-piterahana sy ny fanabeazana aizana teny anivon’ny Oniversite ireo ekipan’ny CIDST, notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana efa manana traikefa amin’izany.
Mpianatra miisa 1 360 teo ho eo no nanatrika izany tao amin’ny Oniversite Itasy.
Marihina fa fanombohana ihany ity natao tao amin’ny Oniversite Itasy ity, fa ho avy tsy ho ela kosa ny fanentanana any amin’ny faritra misy ny Oniversitem-panjakana manerana an’i Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny Filoham-pirenena izay tsy maintsy vitaina ao anatin’ny zato andro ny fanentanana momba ny fanabeazana aizana eny amin’ny Oniversite, koa manatanteraka izany ny MESupReS ary ao anatin’izany ny CIDST izay voatendry manokana hiandraikitra ny fanatanterahana io hetsika io.

More Stories
𝗦𝗘𝗠𝗔𝗜𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗥𝗘𝗗𝗬𝗡𝗔𝗠𝗜𝗦𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗨 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧
𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗮̀ 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝘀 – 𝗔𝘁𝗲𝗹𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 « 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲, 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗗𝗼𝗰𝘂𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮