Tontosa soamantsara ny fifampizarana izay natao nivondronan’ireo mpianatra mpikaroka manomana ny “Master” sy ny “Doctorat” tao amin’ny trano famakiam-bokin’ny CIDST Tsimbazaza, ny alakamisy 2 novambra 2023.
Araka ny efa fanao mahazatra dia misy ny lohahevitra ifampizarana isaky ny fihaonana toy izao. Nasaina manokana
ny Profesora RAKOTOARIVELO Marie Laure Ajorque, Mpikaroka Mpampianatra eto anivon’ny CIDST, nampianatra sy nizara ny traikefany mahakasika ny “Méthodologie de la conduite de la thèse”, izay marihina fa anisan’ny taranja tena manan-danja ao anatin’ny fandrafetana ny thèse. Nizara mahakasika ny “intelligence émotionnelle” ihany koa ny Doctorante RAKOTONDRAINIBE RAMAROSON Harizo, izay manampy betsaka amin’ny fanatanterahana ny asa fikarohana sy ny fianarana izay atao.
Isaorana arak’izany ny mpizara, ny mpikarakara ary ny mpikambana rehetra tonga namaly ny antso.
Efa eo am-panomanana ny Zarahay manaraka sahady ny tompon’andraikitra isan-tokony eto amin’ny CIDST, koa entanina isika mba hanaraka hatrany ny pejy mba ahafahantsika manaraka ny vaovao.

More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬