Tontosa soamantsara ny fifampizarana izay natao nivondronan’ireo mpianatra mpikaroka manomana ny « Master » sy ny « Doctorat » tao amin’ny trano famakiam-bokin’ny CIDST Tsimbazaza, ny alakamisy 2 novambra 2023.
Araka ny efa fanao mahazatra dia misy ny lohahevitra ifampizarana isaky ny fihaonana toy izao. Nasaina manokana
ny Profesora RAKOTOARIVELO Marie Laure Ajorque, Mpikaroka Mpampianatra eto anivon’ny CIDST, nampianatra sy nizara ny traikefany mahakasika ny « Méthodologie de la conduite de la thèse », izay marihina fa anisan’ny taranja tena manan-danja ao anatin’ny fandrafetana ny thèse. Nizara mahakasika ny « intelligence émotionnelle » ihany koa ny Doctorante RAKOTONDRAINIBE RAMAROSON Harizo, izay manampy betsaka amin’ny fanatanterahana ny asa fikarohana sy ny fianarana izay atao.
Isaorana arak’izany ny mpizara, ny mpikarakara ary ny mpikambana rehetra tonga namaly ny antso.
Efa eo am-panomanana ny Zarahay manaraka sahady ny tompon’andraikitra isan-tokony eto amin’ny CIDST, koa entanina isika mba hanaraka hatrany ny pejy mba ahafahantsika manaraka ny vaovao.

More Stories
𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 « 𝗘𝗰𝗼𝘃𝗶𝗹𝗹𝗮𝗴𝗲 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 »
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏