Nisy ny fifampizarana momba ny RESAKA TRONDRO teto amin’ny CIDST ny Alakamisy faha 14 Septambra 2023 lasa teo. Ho fanomezan-danja ny voka- pikarohana mba hisian’ny fampandrosoana haingana sy maharitra kokoa, dia vory lanona manoloana ilay << Tahala ivoizan- kevitra ho fampandrosoana >> ny mpikaroka, ny matihanina ary ny mpisehatra amin’ny fampandrosoana.
Nisy arak’izany ny fanehoana voka-pikarohana nentin’ny mpikaroka avy ao amin’ny FOFIFA, Docteur RAKOTOAMBININA Samuel. Nizara ny traikefany ihany koa Ramatoa isany RABEMAHANDRY Minomalala avy ao amin’ny « Tia Miary Pisciculture » sy RANIVOARIVELO Nihanta avy ao amin’ny « Point Vert ». Mpanatrika miisa 40 teo ho eo no nanatrika izany, nahitana ny avy ao amin’ny CFPF sy ny fianakaviamben’ny CIDST.
Miisa 8 ny fifanaraham-piaraha-miasa voasonian’ny Talen’ny ivon-toerana nandray anjara : Ny Profesora RASOAFALIMANANA Mbolarinosy, Tale siantifika ho an’ny FOFIFA, Ramatoa NALY CINDY Vermeille, Talen’ny CIDST, Ramatoa RAZAKABOANA Bakoly Nirina, Talen’ny CFPF ary Ramatoa RABEMAHANDRY Minomalala avy ao amin’ny « Tia Miary Pisciculture ».
Nataon’ny CIDST izao mba ho fametrahana tsara ny anjara asan’ ilay « Tahala ivoizan-kevitra ho fampandrosoana », ary hanamafisana orina ny fiaraha-miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana samihafa.
Ho tohin’ny fifampizarana izay natao tamin’ny volana septambra io, dia notontosaina tamin’ity zoma 20 Oktobra 2023 ity ary ilay fitsidihana niombonana teny amin’ny « Tia Miary Pisciculture » Avarajozoro Ambatolampy Tsimahafotsy. Nahatratra 122 ny isan’ireo mpitsidika tonga tany an-toerana. Nahazo tombom-pahalalana tokoa ary mieritreritra sahady ny hampiharana izany.










More Stories
๐จ๐ป๐ฒ ๐ท๐ผ๐๐ฟ๐ป๐ฒฬ๐ฒ ๐ฟ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฒ ๐ฒ๐ป ๐ฒฬ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ป๐ด๐ฒ๐ ๐ฎ๐ ๐ ๐ ๐ !
๐๐ฒ ๐๐๐๐ฆ๐ง ๐ฝ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฑ ๐น๐ฎ ๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐น๐ฒ ๐ฎฬ ๐น๐ฎ ๐๐๐ 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement ร la FIM 2026 !