Nisy ny fifampizarana momba ny RESAKA TRONDRO teto amin’ny CIDST ny Alakamisy faha 14 Septambra 2023 lasa teo. Ho fanomezan-danja ny voka- pikarohana mba hisian’ny fampandrosoana haingana sy maharitra kokoa, dia vory lanona manoloana ilay << Tahala ivoizan- kevitra ho fampandrosoana >> ny mpikaroka, ny matihanina ary ny mpisehatra amin’ny fampandrosoana.
Nisy arak’izany ny fanehoana voka-pikarohana nentin’ny mpikaroka avy ao amin’ny FOFIFA, Docteur RAKOTOAMBININA Samuel. Nizara ny traikefany ihany koa Ramatoa isany RABEMAHANDRY Minomalala avy ao amin’ny “Tia Miary Pisciculture” sy RANIVOARIVELO Nihanta avy ao amin’ny “Point Vert”. Mpanatrika miisa 40 teo ho eo no nanatrika izany, nahitana ny avy ao amin’ny CFPF sy ny fianakaviamben’ny CIDST.
Miisa 8 ny fifanaraham-piaraha-miasa voasonian’ny Talen’ny ivon-toerana nandray anjara : Ny Profesora RASOAFALIMANANA Mbolarinosy, Tale siantifika ho an’ny FOFIFA, Ramatoa NALY CINDY Vermeille, Talen’ny CIDST, Ramatoa RAZAKABOANA Bakoly Nirina, Talen’ny CFPF ary Ramatoa RABEMAHANDRY Minomalala avy ao amin’ny “Tia Miary Pisciculture”.
Nataon’ny CIDST izao mba ho fametrahana tsara ny anjara asan’ ilay “Tahala ivoizan-kevitra ho fampandrosoana”, ary hanamafisana orina ny fiaraha-miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana samihafa.
Ho tohin’ny fifampizarana izay natao tamin’ny volana septambra io, dia notontosaina tamin’ity zoma 20 Oktobra 2023 ity ary ilay fitsidihana niombonana teny amin’ny “Tia Miary Pisciculture” Avarajozoro Ambatolampy Tsimahafotsy. Nahatratra 122 ny isan’ireo mpitsidika tonga tany an-toerana. Nahazo tombom-pahalalana tokoa ary mieritreritra sahady ny hampiharana izany.










More Stories
๐๐๐๐ฆ๐ง M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ H๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฟ๐ S๐ผ๐ฎ
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ฃ๐ฟ๐ผ๐ฝ๐ฟ๐ถ๐ฒฬ๐๐ฒฬ ๐๐ป๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ๐ฐ๐๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ (๐ฃ๐)
๐๐ฬ๐๐ง๐๐ ๐’๐๐ซ๐ข๐๐ง๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐จ๐ฅ๐๐ข๐ซ๐ ๐๐ญ ๐๐ซ๐จ๐๐๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐ง๐๐ฅ๐ฅ๐