FIER -MADA andiany faha-24, mandray anjara mavitrika ny #CIDST izay hitanao ao amin’ny “stand N° 197”.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 2 aogositra 2023 ny Fier-Mada( Foire Internationale de l’Économie Rurale de Madagascar) andiany faha-24, izay tontosaina eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra 2023.
Toy ny fanao isan-taona dia mandray anjara mavitrika amin’izany ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST), izay ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Tanjona amin’ ny fampirantiana ny famoahana sy fizarana ireo voka-pikarohan’ny mpikaroka Malagasy mba hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ary hanampiana ireo tantsaha misehatra amin’izany.
Marihina fa voka-pikarohan’ny mpikaroka Malagasy avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa avokoa ireo.
Boky misy lohateny 82 karazana no nadika amin’ny teny Malagasy mba ho azon’ireo tantsaha trandrahina tsara no naranty sy amidy eny an-toerana, ny 8 amin’ireo dia boky vaovao vao natonta araky ny fangatahan’ny mpanjifa tamin’ny taona lasa. Mahakasika ny fambolena, ny fiompiana, ny fomba fanodinana sy fitehirizana ny vokatry ny tsantsaha ary torohevitra maro isankarazany no mandrafitra ny boky.
Noezahina hatrany ny hanome fahafaham-po ny mpanjifa, ka natao amin’ny vidiny mirary dia mirary ny boky ary manodidina ny 500Ar ka hatramin’ny 3000Ar ny vidiny.
Manodidina ny 800 eo ho eo ireo mpitsidika ny tranoevan’ny CIDST tamin’ity tapak’andro voalohany ity. Tao ireo tantsaha, mpamboly, mpiompy, mpandraharaha, mpikaroka, mpianatra, manam-pahefana, olon-tsotra , ary misy tera-tany vahiny ihany koa izay liana tanteraka ary nanjifa ny voka-pikarohana.
Misy ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ny mpitsidika mahakasika ireo tolotra misy ao @ CIDST ary ny fanangonana ireo hetaheta ara-torohay sy ara-piofanana avy amin’ ireo mpitsidika.
Marihana fa ny CIDST dia efa mpandray anjara tsy tapaka amin’ny Fier Mada.

More Stories
𝗦𝗘𝗠𝗔𝗜𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗥𝗘𝗗𝗬𝗡𝗔𝗠𝗜𝗦𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗨 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧
𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗮̀ 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝘀 – 𝗔𝘁𝗲𝗹𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 « 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲, 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗗𝗼𝗰𝘂𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮