 
                FIER -MADA andiany faha-24, mandray anjara mavitrika ny #CIDST izay hitanao ao amin’ny “stand N° 197”.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 2 aogositra 2023 ny Fier-Mada( Foire Internationale de l’Économie Rurale de Madagascar) andiany faha-24, izay tontosaina eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra 2023.
Toy ny fanao isan-taona dia mandray anjara mavitrika amin’izany ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST), izay ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Tanjona amin’ ny fampirantiana ny famoahana sy fizarana ireo voka-pikarohan’ny mpikaroka Malagasy mba hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ary hanampiana ireo tantsaha misehatra amin’izany.
Marihina fa voka-pikarohan’ny mpikaroka Malagasy avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa avokoa ireo.
Boky misy lohateny 82 karazana no nadika amin’ny teny Malagasy mba ho azon’ireo tantsaha trandrahina tsara no naranty sy amidy eny an-toerana, ny 8 amin’ireo dia boky vaovao vao natonta araky ny fangatahan’ny mpanjifa tamin’ny taona lasa. Mahakasika ny fambolena, ny fiompiana, ny fomba fanodinana sy fitehirizana ny vokatry ny tsantsaha ary torohevitra maro isankarazany no mandrafitra ny boky.
Noezahina hatrany ny hanome fahafaham-po ny mpanjifa, ka natao amin’ny vidiny mirary dia mirary ny boky ary manodidina ny 500Ar ka hatramin’ny 3000Ar ny vidiny.
Manodidina ny 800 eo ho eo ireo mpitsidika ny tranoevan’ny CIDST tamin’ity tapak’andro voalohany ity. Tao ireo tantsaha, mpamboly, mpiompy, mpandraharaha, mpikaroka, mpianatra, manam-pahefana, olon-tsotra , ary misy tera-tany vahiny ihany koa izay liana tanteraka ary nanjifa ny voka-pikarohana.
Misy ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ny mpitsidika mahakasika ireo tolotra misy ao @ CIDST ary ny fanangonana ireo hetaheta ara-torohay sy ara-piofanana avy amin’ ireo mpitsidika.
Marihana fa ny CIDST dia efa mpandray anjara tsy tapaka amin’ny Fier Mada.
 
  
  
  
  
 
 
                                         
                                         
                                        
More Stories
𝗣𝗿𝗼𝗹𝗼𝗻𝗴𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗱𝗮𝘁𝗲 𝗹𝗶𝗺𝗶𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝘀𝗼𝘂𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝗮𝗿𝘁𝗶𝗰𝗹𝗲 𝗱𝗮𝗻𝘀 𝗹𝗮 𝗥𝗦𝗠 𝗩𝗼𝗹𝘂𝗺𝗲 1
𝐒𝐀𝐋𝐎𝐍 𝐃𝐄 𝐋’𝐄́𝐓𝐔𝐃𝐈𝐀𝐍𝐓 -2025-𝐅𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀
𝐒𝐀𝐋𝐎𝐍 𝐃𝐄 𝐋’𝐄́𝐓𝐔𝐃𝐈𝐀𝐍𝐓 2025 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀