Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 24 aogositra 2023 teto amin’ny Lycée J.J.Rabearivelo Analakely, ny « Salon de l’étudiant » andiany voalohany, izay karakarain’ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).
Trano eva miisa 80 no aranty ety an-toerana izay ahitana mpandray anjara 69 ka ny 42 amin’izany dia Oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny 27 kosa dia Oniversite sy toeram-piofanana miankina amin’ny fanjakana.
Ankoatra ny fandraisana anjaran’ireo Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana dia isan’ny mampiavaka
ity hetsika karakarain’ny CIDST ity :
- ny fandraisan’anjaran’ireo Sekoly ambony misehatra amin’ny fampiofanana arak’asa nasionaly toy ny ACMIL, ENMG, SEMIPI, ENAP, EGNA, ENS, FOP, sns.
- ireo sehatra ambony manome fiofanana sy torolalana ho an’ireo mpianatra te hanohy ny fianarana any ivelany toy ny Ambasadin’ny Etazonia, ny AUF, ny Direction des Bourses Nationale et Extérieure (DBNE), sns.
- ny fahatongavan’ireo Sekoly ambony avy any amin’ny faritra toy ny ENI Fianarantsoa, ZURCHER Sambaina Antsirabe, IUGM Mahajanga, sns.
- ny fisian’ny famelabelaran-kevitra isan’andro na « Conférences-débats » arahina torolalana ho an’ny sokajin’olona rehetra na mpianatra na mpiasa na olon-tsotra.
Fampianarana ambony manaraka ny kalitao sy fenitra ho an’ny rehetra ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena no tanjon’ity Salon de l’étudiant karakarain’ny CIDST ity.
Haharitra 3 andro ny fampirantiana, dia ny 24-25-26 aogositra 2023, manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Ny lanonam-panokafana dia notarihin’ Andriamatoa Tale jeneralin’ny Fikarohana Siantifika sy ny Talen’ny CIDST.
















More Stories
𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 « 𝗘𝗰𝗼𝘃𝗶𝗹𝗹𝗮𝗴𝗲 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 »
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏