smart
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 24 aogositra 2023 teto amin’ny Lycée J.J.Rabearivelo Analakely, ny “Salon de l’étudiant” andiany voalohany, izay karakarain’ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).
Trano eva miisa 80 no aranty ety an-toerana izay ahitana mpandray anjara 69 ka ny 42 amin’izany dia Oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny 27 kosa dia Oniversite sy toeram-piofanana miankina amin’ny fanjakana.
Ankoatra ny fandraisana anjaran’ireo Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana dia isan’ny mampiavaka
ity hetsika karakarain’ny CIDST ity :
- ny fandraisan’anjaran’ireo Sekoly ambony misehatra amin’ny fampiofanana arak’asa nasionaly toy ny ACMIL, ENMG, SEMIPI, ENAP, EGNA, ENS, FOP, sns.
- ireo sehatra ambony manome fiofanana sy torolalana ho an’ireo mpianatra te hanohy ny fianarana any ivelany toy ny Ambasadin’ny Etazonia, ny AUF, ny Direction des Bourses Nationale et Extérieure (DBNE), sns.
- ny fahatongavan’ireo Sekoly ambony avy any amin’ny faritra toy ny ENI Fianarantsoa, ZURCHER Sambaina Antsirabe, IUGM Mahajanga, sns.
- ny fisian’ny famelabelaran-kevitra isan’andro na “Conférences-débats” arahina torolalana ho an’ny sokajin’olona rehetra na mpianatra na mpiasa na olon-tsotra.
Fampianarana ambony manaraka ny kalitao sy fenitra ho an’ny rehetra ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena no tanjon’ity Salon de l’étudiant karakarain’ny CIDST ity.
Haharitra 3 andro ny fampirantiana, dia ny 24-25-26 aogositra 2023, manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Ny lanonam-panokafana dia notarihin’ Andriamatoa Tale jeneralin’ny Fikarohana Siantifika sy ny Talen’ny CIDST.
















More Stories
𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗮̀ 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝘀 – 𝗔𝘁𝗲𝗹𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 « 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲, 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗗𝗼𝗰𝘂𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)