CIDST

Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique

๐…๐ˆ๐‡๐€๐Ž๐๐€๐๐€-๐…๐ˆ๐…๐€๐๐€๐Š๐€๐‹๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐“๐Ž๐Š๐Ž ๐“๐„๐‹๐Ž ๐…๐ˆ๐“๐€๐๐“๐€๐๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐’๐€๐๐€ ๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐Š๐Ž ๐Ž๐‘๐†๐€๐๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐๐‹๐€๐’๐“๐ˆ๐Š๐€

Notontosaina androany 20 mai 2026, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny rencontre-รฉchanges izay nokarakarain’ny CIDST miaraka amin’ny CNRIT sy ny Alliance AIKA.
Ny talen’ny CIDST, Ramatoa RAJAONARISON Marcella Julie no nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ireo mpanohana sy mpiaramiombonantoka.
  • ย Tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny fampihaonana ny Mpikaroka, ny Mpandraharaha, ary ny Vahoaka eny ifotony, ampifandraisana ny fikarohana sy ny filan’ny mpanjifa, hanomezana lanja ary hanasongadinana ny voka-pikarohana mba ho tombontsoa ho an’ny rehetra.
  • Entina ihany koa ampahafantarana ny olom-pirenena fa ny fitantanana ny fako dia tsy vahaolana ho an’ny tontolo iainana ihany, fa fototra iray ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena.
  • Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka no azo tamin’izao hetsika izao satria dia nahaliana ny olona tokoa ireo lohahevitra naroso sy ny fifanakalozana tamin’ireo mpiantsehatra momba ny fanodinana ny fako.
Isaorana manokana ireo mpiaramiombonantoka rehetra izay nifanohana tamin’ny CIDST tamin’ny fanatontosana ny hetsika: ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara, ATM, CNRIT, HARP, LAY SEDERA Company, R’ART PLAST by Ndao Hanavao, ary ny Alliance AIKA.
« Ny fako dia tsy vesatra, fa loharano azo ahodina ho harena, azo avadika ho akora mahasoa ho azo ampiasaina, ary indrindra, afaka hamoronana asa ho an’ny tanora malagasy ! »

Plus d'articles