CIDST

Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique

“SCIENCE HACK DAY” ANDIANY FAHA-8

“SCIENCE HACK DAY” ANDIANY FAHA-8 : Nanomboka androany 23-09-2022 etsy amin’ny CIDST Tsimbazaza.

Mamporisika hatrany ny asa fikarohana sy ny famoronana.

“SCIENCE HACK DAY” ANDIANY FAHA-8 : Nanomboka androany 23-09-2022 etsy amin’ny CIDST Tsimbazaza.

Mamporisika hatrany ny asa fikarohana sy ny famoronana.

Iray amin’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fmpinarana ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Foibe Fampahalalana sy Firaketana Torohay Siantifika sy Teknika na “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) . Hetsika fanaony isan-taona ny “Science Hack Day” nanomboka ny 2014. Fifaninana izy io , ka ny tanjona dia ny ny fanomezan-danja ny fikarohana sy ny fandraisana anjara amin’ny hazakazaka hanjohy ny fivoaran‘ny teknolojia maneran-tany , izay tafiditra amin’ny ezaka imasoan’ny Ministera mpiahy amin’ny fanomezan-tosika ny asa fikarohana mba hahazoana vokatra hoenti-mampandroso ny firenena.

Miompana amin’ny fandrafetana tetik’asa ao anatin’ny 48 Ora tsy an-kiato ny fifaninanana , ikarohana zava-baovao azo ampiharina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fihariana . Mifantoka amin’ireo tanjon’ny Fampandrosoana maharitra napetraky ny Firenena Mikambana na “Objectifs de Développement Durable” ny lohahevitra . Ekipa na olon-tokana ahitana mpianatra , mpikaroka , teknisiana sy olon-tsotra no mifaninana . Nahitana fiakarana ny isan’ny mpandray anjara satria raha 34 izany tamin’ny andiany voalohany ny taona 2014 , dia nahatratra 40 ireo nisoratra anarana tamin’ity andiany ity.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 septambra 2022 ny hetsika ka ny Talen’ny Fampiroboroboana sy Fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina no nisolo tena ny Ministra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice , notronin’ny fianakaviamben’ny CIDST notarihin-dRamatoa Tale RAZAFINIRINA Landisoa Leontine , ireo Tale avy ao amin’ny MESUPRES sy ny Ministera hafa ary ireo mpiara-miombon’antoka.

#Nicmg, #Telma, #Instat, #ONGHabaka, #RTA, #MICC, #Radiouniversitaireambohitsaina, #Cati

About Post Author