“SCIENCE HACK DAY” ANDIANY FAHA-8 : Nanomboka androany 23-09-2022 etsy amin’ny CIDST Tsimbazaza.
Mamporisika hatrany ny asa fikarohana sy ny famoronana.
“SCIENCE HACK DAY” ANDIANY FAHA-8 : Nanomboka androany 23-09-2022 etsy amin’ny CIDST Tsimbazaza.
Mamporisika hatrany ny asa fikarohana sy ny famoronana.
Iray amin’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fmpinarana ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Foibe Fampahalalana sy Firaketana Torohay Siantifika sy Teknika na “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) . Hetsika fanaony isan-taona ny “Science Hack Day” nanomboka ny 2014. Fifaninana izy io , ka ny tanjona dia ny ny fanomezan-danja ny fikarohana sy ny fandraisana anjara amin’ny hazakazaka hanjohy ny fivoaran‘ny teknolojia maneran-tany , izay tafiditra amin’ny ezaka imasoan’ny Ministera mpiahy amin’ny fanomezan-tosika ny asa fikarohana mba hahazoana vokatra hoenti-mampandroso ny firenena.
Miompana amin’ny fandrafetana tetik’asa ao anatin’ny 48 Ora tsy an-kiato ny fifaninanana , ikarohana zava-baovao azo ampiharina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fihariana . Mifantoka amin’ireo tanjon’ny Fampandrosoana maharitra napetraky ny Firenena Mikambana na “Objectifs de Développement Durable” ny lohahevitra . Ekipa na olon-tokana ahitana mpianatra , mpikaroka , teknisiana sy olon-tsotra no mifaninana . Nahitana fiakarana ny isan’ny mpandray anjara satria raha 34 izany tamin’ny andiany voalohany ny taona 2014 , dia nahatratra 40 ireo nisoratra anarana tamin’ity andiany ity.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 septambra 2022 ny hetsika ka ny Talen’ny Fampiroboroboana sy Fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina no nisolo tena ny Ministra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice , notronin’ny fianakaviamben’ny CIDST notarihin-dRamatoa Tale RAZAFINIRINA Landisoa Leontine , ireo Tale avy ao amin’ny MESUPRES sy ny Ministera hafa ary ireo mpiara-miombon’antoka.
#Nicmg, #Telma, #Instat, #ONGHabaka, #RTA, #MICC, #Radiouniversitaireambohitsaina, #Cati

More Stories
𝗦𝗘𝗠𝗔𝗜𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗥𝗘𝗗𝗬𝗡𝗔𝗠𝗜𝗦𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗨 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧
𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗮̀ 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝘀 – 𝗔𝘁𝗲𝗹𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 « 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲, 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗗𝗼𝗰𝘂𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮