Nosokafana taminy fomba ofisialy androany 22 Aogositra 2025 ny ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐โ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐โ๐๐๐๐๐๐ MAHAJANGA 2025 izay karakarainโny โCentre dโInformation et de Documentation Scientifique et Techniqueโ (CIDST) sy ny Ministeranโny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) tety aminโny manoloana ny Poste Mahajanga BE.
ย ย ย ย ย ย Nanomboka taminโny 10 ora maraina ny lanonam-panokafana ka nifandimby nandray fitenenana taminโizany ny solotena avy ao aminโny Mairie Mahajanga, ny solotenanโny Governoranโny Faritra Mahajanga, Ny Talenโny CIDST Dr NALY Cindy Vermeille, Ny President ny Oniversitenโny Mahajanga Pr Blanchard RANDRIANAMBININA, ary ny Tale Jeneraly ny fampianarana ambaratonga ambony Dr BEHAJA Alan Basile.
ย ย ย ย ย Tranoeva miisa 39 no mandray anjara ary ahitana sampampianarana maro avy aminโny faritra maro manerana anโi Madagasikara.
ย ย ย ย ย Tanjona aminโizao hetsika izao ny hanomezana torolalana ara-piofanana sy arakโasa ho anโireo mpianatra eto Mahajanga. Mpianatra mihoatra ny 3500 isa no andrasana hitsidika ireo tranoeva maro ireo.
ย ย ย ย ย Mbola hitohy hatraminโny rahampitso 23 Aogositra ity hetsika teto amin’ny toerana manoloana ny Poste Mahajanga Be ity.
More Stories
๐จ๐ป๐ฒ ๐ท๐ผ๐๐ฟ๐ป๐ฒฬ๐ฒ ๐ฟ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฒ ๐ฒ๐ป ๐ฒฬ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ป๐ด๐ฒ๐ ๐ฎ๐ ๐ ๐ ๐ !
๐๐ฒ ๐๐๐๐ฆ๐ง ๐ฝ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฑ ๐น๐ฎ ๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐น๐ฒ ๐ฎฬ ๐น๐ฎ ๐๐๐ 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement ร la FIM 2026 !