CIDST

Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique

Fihaonan’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Siantifika tamin’ny mpikaroka CIDST

Ao anatin’ny fanatsarana ny asa fikarohana eo anivon’ny foibem-pikarohana isan-tsokajiny, dia nisy ny fihaonan’ireo Mpikaroka Mpampianatra ao amin’ny CIDST tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Siantifika sy ny Talen’ny « Recherche et Innovation » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Tanjona tamin’izao fihaonana izao ny hitondrana fanatsarana ho an’ny asa fikarohana sy ho fampiroboroana ny famoahana ny voka-pikarohana ary indrindra nijerena ireo olana fototra sedrain’ireo Mpikaroka mba hahafahana mitondra vahaolana.

Ny fihaonana dia natao tao amin’ny foiben’ny CIDST ao Tsimbazaza ny alarobia 19 jona 2024.