Ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sokajy “Scientifique sy Littéraire” tao amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo indray no nomen’ny ekipan’ny CIDST fanentanana sy torolalana arak’asa ny 05 sy 06 jona 2024.
Tanjona amin’izany ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fisafidianana ny fianarana sy fiofanana harahina aorian’ny bakalorea, hampahafantarana azy ireo ireo sampam-piofanana samihafa misy eny anivon’ny Oniversite.
Natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’asa ny hetsika, izay niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CIDST, notarihin-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille.
Famelabelarana narahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.

More Stories
𝗧𝗼𝗿𝗼𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮𝗸’𝗮𝘀𝗮
𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲
𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧-𝐤𝐚𝐳𝐨 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲