Ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sokajy “Scientifique sy Littéraire” tao amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo indray no nomen’ny ekipan’ny CIDST fanentanana sy torolalana arak’asa ny 05 sy 06 jona 2024.
Tanjona amin’izany ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fisafidianana ny fianarana sy fiofanana harahina aorian’ny bakalorea, hampahafantarana azy ireo ireo sampam-piofanana samihafa misy eny anivon’ny Oniversite.
Natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’asa ny hetsika, izay niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CIDST, notarihin-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille.
Famelabelarana narahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.

More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬