Tao amin’ny Lisea JINABO Justin Miandrivazo indray no nanohy ny fanentanana sy nanome ny toro-lalana arak’asa ho an’ireo mpianatry ny Lisea ny ekipan’ny CIDST izay tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille, androany 15 mai 2024.
Tsiahivina hatrany fa ho fanampiana ireo mpianatra hisafidy ny lalam-panofanana tiany arahina aorian’ny Bakalorea no tanjona amin’izao hetsika. Mampahafantatra azy ireo ny lalam-piofanana isankarazany afaka hisafidianana sy ny Oniversite mifanaraka amin’izany.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CIDST, ary nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana arahina valiny ny fotoana.
Maherin’ny 160 ireo mpianatra nanatrika ny fanentanana.

More Stories
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!
𝗟𝗲 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 𝗽𝗿𝗲𝗻𝗱 𝗹𝗮 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗮̀ 𝗹𝗮 𝗙𝗜𝗠 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement à la FIM 2026 !