Tao amin’ny Lisea JINABO Justin Miandrivazo indray no nanohy ny fanentanana sy nanome ny toro-lalana arak’asa ho an’ireo mpianatry ny Lisea ny ekipan’ny CIDST izay tarihin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille, androany 15 mai 2024.
Tsiahivina hatrany fa ho fanampiana ireo mpianatra hisafidy ny lalam-panofanana tiany arahina aorian’ny Bakalorea no tanjona amin’izao hetsika. Mampahafantatra azy ireo ny lalam-piofanana isankarazany afaka hisafidianana sy ny Oniversite mifanaraka amin’izany.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CIDST, ary nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana arahina valiny ny fotoana.
Maherin’ny 160 ireo mpianatra nanatrika ny fanentanana.

More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞