
๐๐ฒ 11 ๐๐๐ฌ๐๐ฆ๐๐ซ๐ 2023 ๐ค๐ ๐ก๐๐ญ๐ซ๐๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ 15 ๐ฃ๐๐ง๐จ๐๐ซ๐ฒ 2024 ๐ง๐จ ๐๐-๐ฉ๐จ๐ญ๐จ๐๐ง๐ ๐ฏ๐จ๐๐๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ก๐๐ง๐จ๐ฆ๐๐จ๐ก๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ญ๐๐จ๐ฆ-๐ฉ๐ข๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ 2023-2024 ๐๐ง๐ฒ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐จ๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ 6 ๐ฌ๐ฒ ๐๐๐ 3 ๐ฆ๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐จ๐ฌ๐ฒ.
Notanterahina ny 30 novambra 2023 teto Fiadanana sy nampitain-davitra ny CPU na ny โConfรฉrence des Prรฉsidents des Universitรฉs โ, izay fivoariana faratampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nitarika izany ny Pr ASSOUMACOU Elia Bรฉatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Niatrika ny fivoriambe kosa ireo filohan’ny Oniversite enina sy Tale Jeneralinโny IST rehetra manerana ny Nosy, ireo Talenโny “Ecoles Doctorales” , Sojabe ary Filohanโny sampam-pianarana samihafa.
Samy nampita ny mahakasika ny fizotry ny famaranana ny taom-pianarana sy ny fahavitany ny isaky ny Oniversite sy Toeam-pianarana, Sampam-pianarana ary โ Ecoles Doctoralesโ, ka fantatra fa efa saika nahavita taom-pianarana ny ankamaroanโny Oniversite sy IST rehetra ankoatra ireo vitsivitsy izay efa mamarana ny taom-pianarana aminโity faranโny taona ity.
Tapaka nandritra izany fa amin’ny 11 desambra 2023 hatraminโny 15 janoary 2024 no hanombohanโny taom-pianarana 2023-2024 amin’ny Oniversite sy IST tsirairay avy. Io elanelam-potoam-pidirana io dia natao ahafahanโny isan-tsokajy sy ambaratongam-pampianarana mandamina sy mandrindra ny fidiranโny mpianatra ao aminy. Ferana hatramin’ny 25 janoary 2024 kosa ny fisoratana anarana ho anโireo mpianatra L1 hatraminโny Master.
Mahakasika manokana ireo ” Ecoles Doctorales” dia ny 15 janoary 2024 ka hatramin’ny 15 febroary 2024 ny fidirana.
Entanina ny mpianatra rehetra hanatona ny sampam-pianarana sy ny oniversite ary ny IST misy azy avy na hijery ireo peta-drindrina na hanaraka ny pejinโny oniversite sy sampam-pampianarana izay misy aminโny fanampim-baovao.
More Stories
“Salon de l’รtudiant 2025”
๐๐ถ๐ป๐ฎ๐น ๐ฑ๐ ๐ฐ๐ผ๐ป๐ฐ๐ผ๐๐ฟ๐ ๐e๐ ๐ข๐จ๐ง๐๐ฅ ๐ข๐ง๐ง๐จ๐ฏ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐ก๐๐ฅ๐ฅ๐๐ง๐ ๐ (๐ฅ๐๐) ๐ฎฬ ๐ ๐ฎ๐๐ฟ๐ถ๐ฐ๐ฒ
๐๐ข๐๐๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐จ๐ฏ๐๐ง๐ญ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ฅ๐๐ฅ๐๐จ ๐๐ซ๐-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก๐ข๐๐ง๐ (๐๐๐ญ๐๐ก ๐๐ ๐๐๐ฅ๐)