𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐭𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 , 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢-𝐩𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 , 𝐭𝐞𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐤𝐚𝐝𝐞𝐦𝐢𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐓𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐙𝐨𝐦𝐚 29 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 2023.
Tsy mitsahatra ny mikaroka ny mpikaroka Malagasy . Misy ny vokatra azo efa voakajy fa hitondra fiantraikany amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny firenentsika . 15 amin’ireo voka-pikarohana nivoaka avy amin’ireo foibe na ivon-toeram-pikarohana iahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa no natolotra ny mpandraharaha nandritra ity fihaonana ity.
Fihaonana natao ho fanamarihana ny « andron’ny fikarohana sy ny haivao » ity natrehina ity ,ka nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny « politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao » (PNRI) . Raha tsiahivina, ny PNRI dia antontan-kevitra sy drafitrasa amin’ny fandrindrana ny fikarohana sy ny fanavaozana eto Madagasikara. Vokatry ny asa 07 volana (Jolay 2022-Janoary 2023), fifampidinihana, fifanakalozam-pikarohana tamin’ny alalan’ny atrikasa natao tamin’ny faritra samihafa teto Madagasikara . Tanjon’ity PNRI ankehitriny ny hananana ny Fikarohana avo lenta mamaly ny filan’ny fiaraha-monina mba ho fampandrosoana an’i Madagasikara sy hampifanarahana ny filàna ara-piofanana ho an’ny « Ecoles Doctorales » mifandraika amin’ny ivon-toeram-pikarohana.
Tonga nanome voninahitra sy nanokatra ny lanonana, nisolontena ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr RAJAONARISON Jean François, Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony.

More Stories
𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 « 𝗘𝗰𝗼𝘃𝗶𝗹𝗹𝗮𝗴𝗲 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 »
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏