๐๐๐ก๐๐๐๐๐๐๐ ๐ก๐๐๐๐โ๐๐ฆ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ฆ ๐๐ฆ ๐๐๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ก๐ฆ ๐ผ๐๐๐๐ฃ๐๐ก๐๐๐ ๐๐๐ (๐๐๐๐๐๐) ๐ฃ๐๐๐๐โ๐๐๐ฆ ๐๐ก๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐.
ย ย ย ย ย ย ย Notokananโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara, Kรดlรดnely RANDRIANIRINA Michaรซl, teny Tsimbazaza ny 28 mey 2026, ny UniPod Madagascar, sehatra iray hanohanana ny tanora sy ny fandraharahana ary hanovana ny fikarohana ho vokatra azo ampiasaina aminโny fiainana andavanandro.
- Nambaranโny Filoha taminโizany fa fototra iorenanโny fanavaozana sy laharam-pahamehanโny Fitondram-panjakana ny tetikasa fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony. Nomarihiny ihany koa fa efa eo am-pitadiavana fomba hanitarana izao tetikasa izao manerana anโi Madagasikara ny Fitondrana.
- Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa tsy tokony hijanona aminโny diplaoma sy teoria intsony ny fampianarana ambaratonga ambony fa hitondra vahaolana mivaingana ho anโny firenena. โSahia mamorona, sahia manavao, sahia miroso aminโny fandraharahanaโ, hoy hatrany ny Minisitra raha nanao antso ho anโireo tanora.
- Ahitana laboratoara momba ny robotika, ny faharanitan-tsaina artifisialy, ny Agrifood, ny GreenTech ary ny famindrana teknolojia ao aminโny UniPod. Ity ivon-toerana ity dia eo ambany fiahianโny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) eto aminโny MESUPRES ary tohananโny PNUD aminโny alalanโny tetikasa panafrikanina โTimbuktooโ, miaraka aminโny Minisiteranโny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Misy fifantenana ny tanora afaka miditra ao aminโny UniPod.
- Tanjonโny PNUD ny hanome hery ny tanora mba hahafahan’ny tanora mandray andraikitra aminโny alalanโny fampivelarana ny fahaizany sy ny tetikasany, hitondra vahaolana mifanaraka aminโny zava-misy eny ifotony ary handray anjara aminโny fananganana toekarena misokatra kokoa, matanjaka ary miomana aminโny ho avy, araka ny nambaranโi Dr Edward A. Christow, Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara.
ย ย ย ย ย ย Nanatrika ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avonโny Fanavaozana, mpikambana ao aminโny Governemanta, olo-manankaja maro, solontenanโny Oniversite, mpikaroka, mpianatra ary ireo mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany.

More Stories
๐๐ฎ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ « ๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ๐, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ » (๐ง๐๐๐ผ๐ฐ)
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ๐, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ |
๐๐ถ๐๐๐ถ๐ฑ๐ถ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ « ๐๐ฐ๐ผ๐๐ถ๐น๐น๐ฎ๐ด๐ฒ ๐ง๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎฬ๐ป๐ฎ »