CIDST

Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique

« ๐—ง๐˜€๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—•๐—ผ๐—ธ๐˜† »

Ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho anโ€™ny Boky sy ny Zonโ€™ny mpamorona ny 23 aprily, ny Minisiteranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina aminโ€™ny alalanโ€™ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara dia manome fotoana antsika mandritra ny telo andro aminโ€™ny TSENABENโ€™NY BOKY.
Fotoana iray entina hanomezan-danja ny boky sy ireo mpisehatra rehetra aminโ€™izany ny TSENABENโ€™NY BOKY.
Io fotoana io no ahitana anโ€™ireo mpisehatra eo aminโ€™ny tontolonโ€™ny boky: mpanoratra, mpanao sary, ny mpamoaka boky, ary ny mpivaro-boky. Ireo mpisehatra ireo no mandravona ny rohinโ€™ny boky.
Ireo asa ireo dia samy manan-danja avokoa, ilaina fahaiza-manao ary fiaraha-miasa ary indrindra ny fanohanana avy amintsika mpanjifa.
Ny zava-dehibe dia hisongadina mandritra ireo telo andro ireo ny hatsaranโ€™ny boky novokarinโ€™ireo mpisehatra eto Madagasikara.
Maro ny seho sy hetsika ary fifaninanana ho hitantsika aminโ€™io fotoana io.
Tokotaninโ€™ny Tranombokim-pirenena Anosy
23-24-25 aprily 2026
aminโ€™ny 9ora-4ora

Plus d'articles