Nidina ifotony tany amin’ny ๐๐ข๐ฌ๐๐ ๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐ญ๐๐ญ๐๐๐ข๐ค๐ ny ekipan’ny CIDST nanome ny torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy famaranana (Terminale) « sรฉrie L, S ary OSE » ny alarobia 11 martsa 2026.
Tanjona tamin’izany ny hanampiana ireo mpianatra any amin’ny lisea amin’ny fisafidianana ny fianarana sy ny lalam-piofanana harahina aorianโny bakalorea, nampahafantarina azy ireo ny sampam-piofanana samihafa misy eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo Sekoly lehibe manofana ho mpiasam-panjakana ambony.
Andriamatoa ๐๐ซ๐จ๐ฏ๐ข๐ฌ๐๐ฎ๐ซ ny Lisea Ampitatafika ๐
๐๐ง๐จ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ no nanokatra ny fotoana , avy eo dia natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’asa izany , narahina fampahafantarana sy famelabelarana mahakasika ireo karazana lalam-piofanana misy eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana sy ny « Institut Supรฉrieur de Technologie (IST), ary fampahafantarana ireo karazana lalam-piofanana eny amin’ireo Sekoly lehibe manofana ho mpiasam-panjakana ambony toy ny ENAM, EGNA, ENIAP, ACMIL, ENMG, SEMIPI, INFA…
Nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana sy famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra ny fotoana.
Miisa 258 ireo mpianatra nisitraka izany torolalana izany tao amin’ny Lisea Ampitatafika.
More Stories
๐๐ฎ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ « ๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ๐, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ » (๐ง๐๐๐ผ๐ฐ)
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ง๐ฒ๐ฐ๐ต๐ป๐ถ๐พ๐๐ฒ๐, ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ ๐๐ป๐ณ๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐พ๐๐ฒ ๐๐ผ๐ฐ๐๐บ๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ถ๐ฟ๐ฒ |
๐๐ง๐ข๐๐จ๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ฌ๐๐๐ซ : ๐๐๐ก๐๐ญ๐ซ๐ ๐ก๐๐ง๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐ ๐ก๐จ ๐ฏ๐๐ก๐๐จ๐ฅ๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐๐ฌ๐ ๐ก๐จ ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐ญ๐๐ง๐จ๐ซ๐