Notontosaina androany 13 febroary 2026 tao amin’ny foiben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa eo Fiadanana ny famindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny CIDST teo aloha, ๐๐ซ ๐๐๐๐ ๐๐ข๐ง๐๐ฒ ๐๐๐ซ๐ฆ๐๐ข๐ฅ๐ฅ๐, sy ny Tale vaovao, ๐๐๐ฆ๐๐ญ๐จ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ซ๐๐๐ฅ๐ฅ๐ ๐๐ฎ๐ฅ๐ข๐.
ย ย ย ย ย ย ย ย ย Nizotra antsakany sy andavany ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta, izay notarihin’Andriamatoa Tale isany eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa: ny Pr RAHERIMANDIMBY Marson Talen’ny Kabinetra, Atoa RAHERISON Andoniaina Hajanirina Talen’ny fitantanana ara-bola, ary Atoa RAKOTONDRAZAKA Tina Josรฉ Tale
misahana ny Raharaha momba ny Lalร na.
ย ย ย ย ย ย Nisaotra sy nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy rehetra tamin’ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana nandritra izay fotoana nitantanany ny CIDST izay ny Tale teo aloha, ary nirary soa ny Tale vaovao mba ahavita be amin’ny adidy sy andraikitra izay hosahaniny.
Etsy andaniny dia niantso ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa rehetra ny Tale vaovao mba hifanome tanana hampandrosoana ity foibem-pikarohana ity, ary naneho ny fahavononany tanteraka handray ny andraikitra izay ankinina aminy.
ย ย ย ย ย ย ย ย Taorian’ny famindram-pitantanana dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny Talen’ny CIDST vaovao, Ramatoa RAKOTOARISEDY Marcella Julie, ary nampivory ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny Foibem-pikarohana CIDST.
Tanjona tamin’izany ny hanatsarana hatrany ny fifandraisana sy ny fomba fiasa ary ny fiaraha-mientan’ny tsirairay mba hampandrosoana ny « Centre ».
More Stories
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐๐๐ซ๐ค๐ง๐๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐-๐ฅ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐พ๐๐ฟ๐๐
๐ฅ๐๐ก๐๐ข๐ก๐ง๐ฅ๐-๐ฬ๐๐๐๐ก๐๐๐ฆ ๐๐๐ฆ ยซ ๐ง๐ข๐๐ข ๐ง๐๐๐ข ยป