Tontosa soamantsara ny fanentanana sy torolalana arak’asa izay nokarakarain’ny CIDST tao amin’ny Lisea Manarapenitra Idanda tao Fianarantsoa, ny alarobia 24 octobra 2024.
Mpianatra miisa 346 tao amin’ny kilasy ambaratonga fahatelo no nanatrika ny fanentanana.
Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ireo mpianatra ny karazana sampam-mpiofanana samihafa misy eny anivon’ny Oniversitem-panjakana sy hanampiana azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana afaka harahina aorian’ny bakalorea.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CIDST Fianarantsoa, ary nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana arahina valiny ny fotoana.

More Stories
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!