Tontosa soamantsara ny fanentanana sy torolalana arak’asa izay nokarakarain’ny CIDST tao amin’ny Lisea Manarapenitra Idanda tao Fianarantsoa, ny alarobia 24 octobra 2024.
Mpianatra miisa 346 tao amin’ny kilasy ambaratonga fahatelo no nanatrika ny fanentanana.
Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ireo mpianatra ny karazana sampam-mpiofanana samihafa misy eny anivon’ny Oniversitem-panjakana sy hanampiana azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana afaka harahina aorian’ny bakalorea.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CIDST Fianarantsoa, ary nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana arahina valiny ny fotoana.

More Stories
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬
𝗣𝗿𝗼𝗹𝗼𝗻𝗴𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗱𝗮𝘁𝗲 𝗹𝗶𝗺𝗶𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝘀𝗼𝘂𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝗮𝗿𝘁𝗶𝗰𝗹𝗲 𝗱𝗮𝗻𝘀 𝗹𝗮 𝗥𝗦𝗠 𝗩𝗼𝗹𝘂𝗺𝗲 1