Taorian’ny fifanaraham-piaraha-miasa izay natao sonia tamin’ny 4 aprily 2023, mahakasika ny fampitaovana ny “Projet numérique du CIDST”, dia tonga nanolotra ireo fitaovana ara-informatika maro teto amin’ny CIDST, ny alarobia 24 mai 2023, ny Association NIC-MG na ny Network Information Center eto Madagascar, izay notarihan’Andriamatoa Pr RAZAFINDRAKOTO Raft, filoha mpitantana ny NIC-MG sady mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny CIDST.
Ireo fitaovana natolotra: Ordinateurs portables, Vidéo projecteurs, Fleep Chart, Serveurs, routeurs sans fil, imprimantes laser couleurs, Onduleur, Appareil photo numérique, numériseurs de documents A3 sy A4, imprimante 3D, Speaker à roulettes, Disques de sauvegarde de données, Disques de transfert de données, Climatiseur. Marihina moa fa ny ampahany amin’ireo fitaovana ireo dia entina hampitaovana ny antennes CIDST any amin’ny faritra.
Tonga nanontrona sy nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity ny Tale jeneralin’ny Fikarohana eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Andriamatoa Pr RAMANANKIERANA Heriniana, ary nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny NIC-MG, avy amin’ny CIDST sy ny Ministera manontolo, nontronin-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny “Centre”.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanamafy sy nirary soa ny mba hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hatrany ny Tale jeneralin’ny Fikarohana, ary nirary soa ho an’ny CIDST mba handroso hatrany amin’ny asa fikarohana izay ataony.














More Stories
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)
𝐒𝐞́𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐝’𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥𝐥𝐞