Tontosa soa aman-tsara nandritra ny herinandro lasa teo ny Filankevitry ny Fitarihana Ara-tsiansa (CSO) nataon’ireo Tale Jeneraly sy Talen’ny Ivon-toeram-pikarohana 8 eo ambany fiahian’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Nandritra izany fivoriana izany no navoitra ny tatitra momba ny asa vita tamin’ny taona 2025 sy ny vinavinan’ireo tetikasa ho an’ny taona 2026.
Notanterahina teny amin’ny efitra fivoriana ao amin’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Tsimbazaza, ny 20 novambra 2025, teo anatrehan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny fizarana sy fifanakalozana.
Ny tatitra sy ny adihevitra dia nifantoka tamin’ireo vokatra azo ampiharina avy amin’ny fikarohana, izay manampy mivantana ny olona ifotony sy mampiroborobo ny toekarena malagasy.
Nanamafy ny Minisitra fa manana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny fikarohana, ary nanentana ireo ivon-toeram-pikarohana hanolotra mazava ireo vokatra efa azo ampiasaina mba hoentin’ny mpanapakevitra hamaliana ny filàna eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra.
More Stories
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬
𝗣𝗿𝗼𝗹𝗼𝗻𝗴𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗱𝗮𝘁𝗲 𝗹𝗶𝗺𝗶𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝘀𝗼𝘂𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝗮𝗿𝘁𝗶𝗰𝗹𝗲 𝗱𝗮𝗻𝘀 𝗹𝗮 𝗥𝗦𝗠 𝗩𝗼𝗹𝘂𝗺𝗲 1