Notanterahina ny 6 novambra 2025 teto Fiadanana ny CPU voalohany niarahanโny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tamin’ireo Filohan’ny Oniversite manerana ny Nosy, ireo Tale Jeneralinโny IST telo sy ireo Oniversitem-paritra.
ย ย ย ย ย ย ย Fivoriana faratampony manapaka ny mahakasika ny tontolonโny fampianarana ambony ny CPU ka niompana manokana tamin’ny fandaminana ankapobenโny fampianarana ambony ny fivoriana.
ย ย ย ย ย ย ย Voaresaka tamin’izany ny famaranana ny taom-pianarana eny amin’ny Anjerimanontolo izay miankina amin’ny toe-draharaha misy eny aminโny Oniversite tsirairay.
ย ย ย ย ย ย ย Tapaka ihany koa fa hotanterahina ny 17 novambra 2025 ny fanaovana tombana ny fanadinana bakalorea 2025.
ย ย ย ย ย ย ย Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, hisitraka โpanneaux solairesโ sy fametrahana โforageโ avy amin’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy. Hisy ny fanomezana fitaovana toy ny “ordinateur” sy “imprimante” avy aminโny MESUPRES vokatry ny fiaraha-miasa ao anatin’ny โFonds Commun de l’Education” (FCE) avy amin’ny โAgence Franรงaise du Dรฉveloppementโ (AFD), ny “Union Europรฉenne” sy ny UNICEF.
More Stories
๐จ๐ป๐ฒ ๐ท๐ผ๐๐ฟ๐ป๐ฒฬ๐ฒ ๐ฟ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฒ ๐ฒ๐ป ๐ฒฬ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ป๐ด๐ฒ๐ ๐ฎ๐ ๐ ๐ ๐ !
๐๐ฒ ๐๐๐๐ฆ๐ง ๐ฝ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฑ ๐น๐ฎ ๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐น๐ฒ ๐ฎฬ ๐น๐ฎ ๐๐๐ 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement ร la FIM 2026 !