Notanterahina ny 6 novambra 2025 teto Fiadanana ny CPU voalohany niarahanโny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tamin’ireo Filohan’ny Oniversite manerana ny Nosy, ireo Tale Jeneralinโny IST telo sy ireo Oniversitem-paritra.
ย ย ย ย ย ย ย Fivoriana faratampony manapaka ny mahakasika ny tontolonโny fampianarana ambony ny CPU ka niompana manokana tamin’ny fandaminana ankapobenโny fampianarana ambony ny fivoriana.
ย ย ย ย ย ย ย Voaresaka tamin’izany ny famaranana ny taom-pianarana eny amin’ny Anjerimanontolo izay miankina amin’ny toe-draharaha misy eny aminโny Oniversite tsirairay.
ย ย ย ย ย ย ย Tapaka ihany koa fa hotanterahina ny 17 novambra 2025 ny fanaovana tombana ny fanadinana bakalorea 2025.
ย ย ย ย ย ย ย Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, hisitraka โpanneaux solairesโ sy fametrahana โforageโ avy amin’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy. Hisy ny fanomezana fitaovana toy ny “ordinateur” sy “imprimante” avy aminโny MESUPRES vokatry ny fiaraha-miasa ao anatin’ny โFonds Commun de l’Education” (FCE) avy amin’ny โAgence Franรงaise du Dรฉveloppementโ (AFD), ny “Union Europรฉenne” sy ny UNICEF.
More Stories
๐๐๐๐ฆ๐ง M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ H๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, M๐ถ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฟ๐ S๐ผ๐ฎ
๐๐ผ๐ฟ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฒ๐ป ๐ฃ๐ฟ๐ผ๐ฝ๐ฟ๐ถ๐ฒฬ๐๐ฒฬ ๐๐ป๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ๐ฐ๐๐๐ฒ๐น๐น๐ฒ (๐ฃ๐)
๐๐ฬ๐๐ง๐๐ ๐’๐๐ซ๐ข๐๐ง๐ญ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐จ๐ฅ๐๐ข๐ซ๐ ๐๐ญ ๐๐ซ๐จ๐๐๐ฌ๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐ง๐๐ฅ๐ฅ๐