Ankoatran’ny fampirantiana eny anivon’ireo trano eva maherin’ny 75, dia
nampiavaka ity andro faharoa ity ny famelabelaran-kevitra narahina torolalana sy fanentanana mikasika ny fidirana ao amin’ny Polisim-pirenena Malagasy.
Novelabelarin’ireo manam-boninahitra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny fikambanan’ny Polisim-pirenena Malagasy ireo dingana rehetra tsy maintsy lalovana raha te hiditra hanao Polisy.
Nisy ihany koa ny fampisehoana mivantana ireo karazana fiofanana atao ao anatin’izany sehatra izany, ka nanaovan’ireo Polisy sy mpianatra ho Polisy eo anivon’ny Polisim-pirenena fampiharana manoloana ireo mpanatrika.
Nandritra ny famelabelarana dia nisy hatrany ny fisarihana sy fizarana loka niarahana tamin’ny Yas Madagascar izay nahazoana “casquette, tee-shirt” ary fahana Yas.
Tonga maro be ireo tanora sy mpianatra liana sy nanatrika ny famelabelarana.
More Stories
๐จ๐ป๐ฒ ๐ท๐ผ๐๐ฟ๐ป๐ฒฬ๐ฒ ๐ฟ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฒ ๐ฒ๐ป ๐ฒฬ๐ฐ๐ต๐ฎ๐ป๐ด๐ฒ๐ ๐ฎ๐ ๐ ๐ ๐ !
๐๐ฒ ๐๐๐๐ฆ๐ง ๐ฝ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฑ ๐น๐ฎ ๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ผ๐น๐ฒ ๐ฎฬ ๐น๐ฎ ๐๐๐ 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement ร la FIM 2026 !