Ankoatran’ny fampirantiana eny anivon’ireo trano eva maherin’ny 75, dia
nampiavaka ity andro faharoa ity ny famelabelaran-kevitra narahina torolalana sy fanentanana mikasika ny fidirana ao amin’ny Polisim-pirenena Malagasy.
Novelabelarin’ireo manam-boninahitra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny fikambanan’ny Polisim-pirenena Malagasy ireo dingana rehetra tsy maintsy lalovana raha te hiditra hanao Polisy.
Nisy ihany koa ny fampisehoana mivantana ireo karazana fiofanana atao ao anatin’izany sehatra izany, ka nanaovan’ireo Polisy sy mpianatra ho Polisy eo anivon’ny Polisim-pirenena fampiharana manoloana ireo mpanatrika.
Nandritra ny famelabelarana dia nisy hatrany ny fisarihana sy fizarana loka niarahana tamin’ny Yas Madagascar izay nahazoana “casquette, tee-shirt” ary fahana Yas.
Tonga maro be ireo tanora sy mpianatra liana sy nanatrika ny famelabelarana.
More Stories
๐ ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐ข๐ฏ๐จ๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐
๐๐จ๐ง๐๐ฬ๐ซ๐๐ง๐๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ฬ๐ฌ๐ข๐๐๐ง๐ญ๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ฬ๐ฌ
๐ฃ๐ฟ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ด๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฑ๐ฒ ๐น๐ฎ ๐ฑ๐ฎ๐๐ฒ ๐น๐ถ๐บ๐ถ๐๐ฒ ๐ฑ๐ฒ ๐๐ผ๐๐บ๐ถ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฑ’๐ฎ๐ฟ๐๐ถ๐ฐ๐น๐ฒ ๐ฑ๐ฎ๐ป๐ ๐น๐ฎ ๐ฅ๐ฆ๐ ๐ฉ๐ผ๐น๐๐บ๐ฒ 1