Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique

Tontosa soamantsara ny fanentanana sy torolalana arak'asa nokarakarain'ny CIDST, niarahana tamin'ny mpianatry ny Lisea Philibert Tsiranana Mahajanga, izay natao tao amin'ny "Maison de la Culture" Mahajanga.
Mpianatra miisa 363 avy ao amin'ny kilasy famaranana no nanatrika ny fanentanana.
Tanjona ny hampahafantarana ireo mpianatra ny karazana sampam-mpiofanana samihafa misy eny anivon'ny Oniversitem-panjakana sy hanampiana azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana afaka harahina aorianโny bakalorea.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fanentanana nataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin'ny CIDST, izay notarihan-dRamatoa Tale, Dr NALY Cindy Vermeille, ary nofaranana tamin'ny fametrahana fanontaniana arahina valiny ny fotoana.
More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
๐ ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐ข๐ฏ๐จ๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐
๐๐จ๐ง๐๐ฬ๐ซ๐๐ง๐๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ฬ๐ฌ๐ข๐๐๐ง๐ญ๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ฬ๐ฌ