Nidina ifotony tany Toamasina indray ny ekipan’ny CIDST notarihin-dRamatoa Tale, Dr NALY Cindy Vermeille, niaraka tamin’ny CIDST Toamasina , nanome torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo mpianatra kilasy faharoa (Seconde), kilasy voalohany (Premiรจre) ary kilasy famaranana (Terminale) tao amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara, ary nanao fanentanana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fandrindram-piterahana tao amin’ny Oniveriste Barikadimy ny 19 sy 20 martsa 2025.
Tanjona tamin’izany:
– Ny hanampiana ireo mpianatra any amin’ny Lisea amin’ny fisafidianana ny fianarana sy ny lalam-piofanana harahina aorianโny bakalorea, nampahafantarina azy ireo ny sampam-piofanana samihafa misy eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana
– Ny hanampiana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony hahafahany mandray an-tanana ny hoaviny sy ny fiainany ara pitiavana sy ara-pananahana, mba tsy ho sakana hamitan’izy ireo ny fianarany ny mety hisian’ny vohoka tsy niriana.
Natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’asa ny hetsika ho an’ireo mpianatra tao amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara, raha fanentanana mahakasika ny fandrindram-piterahana kosa ho an’ireo mpianatry ny Oniversite Barikadimy, izany dia niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CIDST, niarahana tamin’ireo mpiasan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka miandraikitra ny Fanabeazana Aizana.
Famelabelarana narahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.
More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
๐ ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐ข๐ฏ๐จ๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ค๐๐ซ๐จ๐ก๐๐ง๐
๐๐จ๐ง๐๐ฬ๐ซ๐๐ง๐๐ ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐ฬ๐ฌ๐ข๐๐๐ง๐ญ๐ฌ ๐๐๐ฌ ๐๐ง๐ข๐ฏ๐๐ซ๐ฌ๐ข๐ญ๐ฬ๐ฌ