Illustration 1

SOP

Fantatrao ve fa anisan’ny andraikitra sahanin’ny CIDST ihany koa ny fanomezana « Séance d’Orientation Scolaire et Professionnelle » ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Lisea ?
  • Ny CIDST ihany koa dia manakaiky ny mpianatra amin’ny alalan’ny « Séance d’Orientation Scolaire et Professionnelle ».
  • Torohevitra sy toro làlana ho an’ny mpianatra izy io, mahakasika ny lalam-piofanana afaka arahina eny amin’ny Anjerimanontolo aorian’ny bakalorea, sy ny asa mifanaraka amin’izay lalam-piofanana izay.
Illustration 2
  • Ny CIDST noho izany dia manantona mivantana ireo lisea manerana an’i Madagascar. Manampy ireo mpianatra amin’ny fisafidianana sy fampafantarana ny làlam-piofanana misy ankehitriny eny amin’ny Anjerimanontolo, ny asa miandry ary ny mety ho tolotra sy ny tinady.

Manasa anao ary hanaraka ny resadresaka nifanaovana tamin’Andriamatoa Proviseur ny Lycée Ampitatafika