Fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana tao amin'ny Oniversite Maninday Toliara sy Fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny "Antenne CIDST Toliara"
Tontosa ny zoma 9 febroary 2024 ny fanentanana sy fampianarana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana tao amin'ny Oniversite Maninday Toliara, izay notarin'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena, niarahana tamin'ny ekipan'ny CIDST, notarihan-dRamatoa Tale, NALY Cindy Vermeille, niaraka tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny " Direction Régionale de la Santé " (DRS) Toliara.Mpianatra miisa 1 584 no tonga nanatrika izany.
Tanjona amin'izao hetsika izao ny fisorohana ny vohoka tsy niriana mba hahavita ny fianarana hatramin'ny farany.
Tsiahivina hatrany fa izao hetsika izao dia ao anatin'ny fanatanterahana ireo vinan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay mifandraika amin'ny programan'asan'ny Filoham-pirenena izay tanterahina ao anatin'ny 100 andro.
Taorian'ny fanentanana dia nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Oniversite Toliara sy ny CIDST, izay nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny "Antenne CIDST Toliara".