- Antony iray lehibe ahafahana manatanteraka ny asa antsakany sy andavany ny fahadiovan'ny toeram-piasana sy ny manodidina azy, araka izany dia niara-nisalahy nanatanteraka fanadiovana faobe ny mpiara-miara rehetra teto anivon'ny CIDST, notarihin-dRamatoa Tale RAKOTOARISEDY Marcella Julie, anio zoma 27 martsa 2026.
- Izany no natao dia mba ho tontolo madio sy maha-te honina hatrany ny toeram-piasana, mba hanana filaminan-tsaina sy fahatoniana ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asa andavanandro.
Ankasitrahana hatrany ny fiaraha-mientan'ny rehetra.