Toy ny fanao isan-taona, dia notontosaina androany 20 desambra 2024 ny fety fifampizarana hafaliana sy firariantsoa niarahan'ireo mpiara-miasa rehetra teto amin'ny CIDST, izay notarihan-dRamatoa Tale, Dr NALY Cindy Vermeille.
Tao anatin'izany ny fiarahabana sy fisaorana an-dRamatoa Tale tamin'ny nahavitana ny taom-piasana 2024; ny fiarahabana ireo mpiara-miasa tera-bao sy fanaovam-beloma ireo andeha hisotro ronono, ny fizarana panier garnie sy solom-pen'akoho ho an'ny mpiasa rehetra, mba ho fanamafisana ny fihavanana sy ho fifampitsinjovana eo amin'ny mpiara-miasa sy ny mpitantana.
Ny Tale sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny CIDST dia mirary Krismasy feno fifaliana sy Taona vaovao feno fanantenana ho an'ny Malagasy rehetra.