CIDST-Mahajunga
Ho antsika eto Mahajanga, dia ampahafantarina isika fa misokatra ho antsika hatrany ny CIDST eto Mahajanga, ao amin’ny “Immeuble KAKAL Présidence, Rue Georges V Majunga Be” no misy azy.
Ho anareo mpianatra sy ho an’ireo manao fikarohana dia misy ireo karazana boky mety hanampy antsika ao, koa manentana antsika ho tonga hitsidika fa misy karazany maro ny tolotra omen’ny CIDST Mahajanga.
RDN Mahajunga
Araka ny efa nampitaina teo aloha dia hisy ny “atelier de formation en Ressources Documentaires Numériques” (RDN) sy ny fanentanana sy torolalana arak’Asa, izay iarahana amin’ny ekipan’ny CIDST Tsimbazaza Antananarivo sy ny CIDST Mahajanga.
Izany dia ho tontosaina ny 07-08 Mai 2025 izao, ao amin’ny Mini-Auditorium IOSTM Mahajanga, koa hanasana antsika mpianatra, mpampianatra, mpikaroka sy ireo rehetra izay liana amin’izany.