Natao androany 25 septambra 2024 ny fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana ho an’ny mpianatra tao amin’ny “Institut Supérieur des Technologies Régional Alaotra Mangoro (ISTRALMA)” Ambatondrazaka sy Ambohitsilaozana, izay notarihan-dRamatoa Talen’ny CIDST, Dr NALY Cindy Vermeille sy ireo mpiara-miasa aminy, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ihany koa ny Talen’ny ISTRALMA, Dr ANDRIAMPARANOKASAINA Tahirisoa.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanampiana ireo mpianatra hahafahany mandray an-tanana ny hoaviny sy ny fiainany ara pitiavana sy ara-pananahana, mba tsy ho sakana hamitany ny fianarany ny mety ho vohoka tsy niriana.
Miisa 817 ireo mpianatra tonga nanatrika izany fanentanana izany.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin’ny alalan’ny CIDST.

More Stories
Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (CSO)
𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐯𝐨𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬