Natao androany 25 septambra 2024 ny fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana ho an’ny mpianatra tao amin’ny « Institut Supérieur des Technologies Régional Alaotra Mangoro (ISTRALMA) » Ambatondrazaka sy Ambohitsilaozana, izay notarihan-dRamatoa Talen’ny CIDST, Dr NALY Cindy Vermeille sy ireo mpiara-miasa aminy, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ihany koa ny Talen’ny ISTRALMA, Dr ANDRIAMPARANOKASAINA Tahirisoa.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanampiana ireo mpianatra hahafahany mandray an-tanana ny hoaviny sy ny fiainany ara pitiavana sy ara-pananahana, mba tsy ho sakana hamitany ny fianarany ny mety ho vohoka tsy niriana.
Miisa 817 ireo mpianatra tonga nanatrika izany fanentanana izany.
Tsara hatrany ny manamarika fa izao hetsika izao dia ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin’ny alalan’ny CIDST.

More Stories
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐊𝐎 𝐎𝐑𝐆𝐀𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐏𝐋𝐀𝐒𝐓𝐈𝐊𝐀
𝙁𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙖𝙣𝙠𝙚𝙫𝙞-𝙥𝙞𝙩𝙖𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙄𝘿𝙎𝙏
𝗥𝗘𝗡𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗘-𝗘́𝗖𝗛𝗔𝗡𝗚𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 « 𝗧𝗢𝗞𝗢 𝗧𝗘𝗟𝗢 »