“𝐋𝐚𝐧𝐝𝐲 𝐢𝐭𝐚𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐯𝐞𝐥𝐨𝐧𝐚, 𝐢𝐟𝐨𝐧𝐨𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲”
Tontosa soamantsara ny fihaonana sy fifanakalozana mahakasika ny fikirakirana ny taolandy izay niarahan’ny @Cidst Tsimbazaza sy ny @Cnrit ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy : ny Kaoperativa Rakotomalala et Fils sy ny Atelier Moh Hay ary ny “Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes” (CFPF).
Ny fifanakalozana dia natao tany Anosipatrana Ilanivato sy tany Mangarivotra Arivonimamo androany 07 Aogositra 2024, izay narahan’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Taorian’ny fifanakalozana sy fitsidihana ireo toerana fanenomana Landy, dia nofaranana tamin’ny fitsangatsanganana sy fiaraha-misakafo ny fotoana, entina hanamafisana ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpiara-miasa, izay notarihin-dRamatoa Talen’ny CIDST, NALY Cindy Vermeille.













More Stories
𝗔𝗽𝗽𝗲𝗹 𝗮̀ 𝗰𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝘀 – 𝗔𝘁𝗲𝗹𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 « 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲, 𝗚𝗲𝘀𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗜𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗗𝗼𝗰𝘂𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲
𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 H𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮, M𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 S𝗼𝗮
𝗙𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗻 𝗣𝗿𝗼𝗽𝗿𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗹𝗹𝗲𝗰𝘁𝘂𝗲𝗹𝗹𝗲 (𝗣𝗜)