« 𝐋𝐚𝐧𝐝𝐲 𝐢𝐭𝐚𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐯𝐞𝐥𝐨𝐧𝐚, 𝐢𝐟𝐨𝐧𝐨𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 »
Tontosa soamantsara ny fihaonana sy fifanakalozana mahakasika ny fikirakirana ny taolandy izay niarahan’ny @Cidst Tsimbazaza sy ny @Cnrit ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy : ny Kaoperativa Rakotomalala et Fils sy ny Atelier Moh Hay ary ny « Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes » (CFPF).
Ny fifanakalozana dia natao tany Anosipatrana Ilanivato sy tany Mangarivotra Arivonimamo androany 07 Aogositra 2024, izay narahan’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Taorian’ny fifanakalozana sy fitsidihana ireo toerana fanenomana Landy, dia nofaranana tamin’ny fitsangatsanganana sy fiaraha-misakafo ny fotoana, entina hanamafisana ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpiara-miasa, izay notarihin-dRamatoa Talen’ny CIDST, NALY Cindy Vermeille.













More Stories
𝗨𝗻𝗲 𝗷𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗿𝗶𝗰𝗵𝗲 𝗲𝗻 𝗲́𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗙 𝗜 𝗠!
𝗟𝗲 𝗖𝗜𝗗𝗦𝗧 𝗽𝗿𝗲𝗻𝗱 𝗹𝗮 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗮̀ 𝗹𝗮 𝗙𝗜𝗠 2026 !
C’est parti ! Le CIDST est officiellement à la FIM 2026 !