𝑭𝒂𝒏𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒐𝒏𝒊𝒂 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒎-𝒎𝒑𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂-𝒎𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒐𝒊𝒃𝒆 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒂𝒊𝒌𝒆𝒕𝒂𝒏𝒂 𝑻𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂𝒚 𝑺𝒊𝒂𝒏𝒕𝒊𝒇𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝑻𝒆𝒌𝒏𝒊𝒌𝒂 (𝑪𝑰𝑫𝑺𝑻) 𝒔𝒚 𝒏𝒚 “𝑪𝒉𝒂𝒎𝒃𝒓𝒆 𝒅𝒆 𝑪𝒐𝒎𝒎𝒆𝒓𝒄𝒆 𝒆𝒕 𝒅𝒆 𝒍’𝑰𝒏𝒅𝒖𝒔𝒕𝒓𝒊𝒆 𝒅𝒆 𝑻𝒐𝒂𝒎𝒂𝒔𝒊𝒏𝒂” (𝑪𝑪𝑰𝑻).
Notanterahina androany 04 martsa 2024, tao Toamasina ny fanaova-tsonia ny fifanaraham-mpiaraha-miasa teo amin’ny CIDST Toamasina sy ny CCIT. Ho fanavaozana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa izay efa nisy nanomboka tamin’ny taona 2001 no tanjona amin’izany. Tao anatin’izany ihany koa ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Antena CIDST Toamasina ao amin’ny Tranoben’ny CCIT.
Tanjona iraisan’ny roa tonta ny hanampy sy hanakaiky hatrany ny vahoaka amin’ny fanomezam-baovao sy torolalana indrindra ho an’ireo mpandraharaha ho fampiroboroboana ny fampandrosoana.
Nitarika sy nanome voninahitra izao lanonana izao ny Filohan’ny CCIT Mr KOTONIRINA Robert sy ny Tale Jeneraly Mr RATODISON Françis, niaraka tamin’ny Talen’ny CIDST Ramatoa NALY Cindy Vermeille.

More Stories
Actualités des bibliothèques du monde
𝑭𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒐𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 ” 𝑻𝒆𝒄𝒉𝒏𝒊𝒒𝒖𝒆 𝒆𝒕 𝑮𝒆𝒔𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒅𝒆 𝒍’𝑰𝒏𝒇𝒐𝒓𝒎𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑫𝒐𝒄𝒖𝒎𝒆𝒏𝒕𝒂𝒊𝒓𝒆 ” 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒊𝒛𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒕𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑪𝑰𝑫𝑺𝑻!
𝗧𝗼𝗿𝗼𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮𝗸’𝗮𝘀𝗮